fa toa mamita fe-potoana iasana sisa. Ho sarotra ihany koa anefa ny miandry izay handimby izao fitondrana izao noho ny fahapotehana amin’ny endriny maro navelany: ara-toekarena, sosialy, toe-tsaina, politika, diplaomasia,... Toy ny tamin’ny tetezamita ihany no sary miseho hoe: avy tao anaty lavaky ny krizy sy ny fahantrana vokatry ny fanonganam-panjakana sy ny tsy fahaiza-mitantana. Ny ara-tsosialy, mitombo ny fahantrana, ary nahatratra 7% tao anatin’ny 4 taona nitondran-dRajoelina ssatria efa 81% mahery izany ankehitriny. Niakatra hatrany amin’ny 8,8 tapitrisa ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo lalina. Ny fari-piainana sy ny fahefa-mividin’ny vahoaka miha mitotongana andro aman’alina. Ny toekarena mitotongana noho ny tsy fahaiza-misafidy ny tena laharam-pahamehana. Na ventesina aza fa nanao fotodrafitrasa izao sy izao, isan’ny lesoka goavana ny fahapotehan’ny làlana manerana ny Nosy noho ny tsy fisian’ny fikojakojana sy fanamboarana, ary aty amin’ny farin’ny taom-piasana vao manao sehoseho samihafa amin’ny resaka vatofototra. Na ekena aza ny hoe: lany tamin’ny fifidianana demokratika izao fitondrana izao, dia tahaka ny endriky ny tetezamita taorian’ny 2009 hatrany ny endri-pitantanana: Fanjakana ratsy tantana, afera maloto, kolikoly, tsy fahaiza-mitantana, tsy atokisan’ny olona, tsy mahalala ny tokony ho laharam-pahamehana,... Ny resaka diplaomasia sy jeopolitika mila fanarenana satria tena ratsy laza tanteraka. Ankehitriny, miharihary ny olana goavana ara-bola hany ka hatramin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana aza toa manahirana. Zatra tamin’ny fisian’ny vola nitobaka noho ny nisian’ny valanaretina coronavirus, kinanjo toa mihidy avokoa ny fantsona rehetra hitan’ny olona fa tsy misy Fanjakana tsara tantana. Sasatry ny mitambezo vola etsy sy eroa tahaka ny “fonds vert” 100 tapitrisa dolara ho an’ny tontolo iainana, ny fiandrandrana tohana avy amin’ny Millenium Challenge Corporation any ho any amin’ny 500 tapitrisa dolara ka efa nanaovana serasera aza fa hiverina ho afaka hisitraka isika kinanjo tsy tao anaty lisitra,… Tsy tongatonga ho azy ny nisafidian’ny Amerikanina ny Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaonty ho isan’ireo olona 8 eran-tany tompondakan’ny ady amin’ny kolikoly izay karazana hafatra ihany hoe: raha misy mitady hikitikitika dia ao an-damosiny ny Bekintana. Ity tendrom-pitsarana ity izay tsiahivina fa izy no namoaka ny tatitra momba ny fampiasana ny 444 tapitrisa dolara ampaham-bola tamin’ny coronavirus izay tsikaritra ny fitantanana maro tsy tomombana. Ampahany ihany ireny, fa ho sarotra ny hanarina ny fahapotehana satria hatrany amin’ny toe-tsain’ny olona no simba, ny fahantrana mangitsokitsoka sarotra harenina, ny fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka mila harenina,… Fehiny, mila mahay mametraka izay olona hitantana manaraka ny Malagasy, tsy olona hitsapatsapa fa olona tena mpitarika afaka ny hitondra fiaraha-mientana sy fahaiza-manao hanarenana haingana ny firenena, fa tsy eo vao hianatra indray.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.