ara-pifidianana sy voka-pifidianana. Efa tamin’ny fifidianana 2013 no nahenoana izany. Niverina hatrany ny taona 2018 kanjo moa ireny niaraha-nahita ireny fa nekena ihany avy eo ny tontolo politika nanjavozavo rehefa nandeha ny fizarana seza ka minisiteran’ny indostria sy ny minisiteran’ny varotra no isan’ny azon’ny fanoherana. Nandeha ny fifidianana 2018-2019 na tsy dia nazava aza ny fitsipi-dalao, nafana ny fanoherana notarihin’ny kandida Marc Ravalomanana sy ny fanehoana fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hosoka sy hala-bato, efa nisy fidinana an-dalambe teny Analakely, efa vaky ny 13 mey, kanefa dia nilamindamin-dratsy teo indray ny fanoherana, eny fa na ny kandida mpifanandrina aza nanotrona ny fianianan’ny mpifanandrina izay nolazaina fa nanao hosoka sy amboletra tamin’izany. Ankehitriny, narotsaka ho ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Tojo Ravalomanana rehefa tsy afaka nirotsaka ny Atoa Marc Ravalomanana. « Fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Averiko, fahotana ho an’ny marina ny mangina sy ny tsy mijoro manoloana ny ratsy fanahy. Eto Antananarivo no misy antsika. Koa rehefa sakanana ny iray aminay dia tonga arivo mijoro izahay ; Ary rehefa sakanana i Dadanay dia mijoro ny zanak’i dada. Koa rehefa sakanana i Marc Ravalomanana dia mijoro i Tojo Ravalomanana », hoy ny kandida Tojo Ravalomanana ny 09 oktobra 2024 taorian’ny antsapaka teny amin’ny OVEC Antananarivo. Nisy ireo nanantena fa tena fa tena ho avy masiaka ary tsy hanaiky hatramin’ny farany sy mety ho tonga hatreny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ity kandida ity sy ny mpanohana, raha ny fiaingany, ary betsaka no nino fa afaka hifampitady amin’i Andry Rajoelina. Nahazo ny laharana faharoa ity farany, raha ny vokatra ofisialy navoakan’ny tribonaly miady amin’ny fanjakàna, saingy nilaza ihany koa ny tenany fa naloto iny fifidianana kaominaly farany teo iny, indrindra, ny teto Antananarivo. Nandeha ny dingana araka ny lalàna, noresena ambony latabatra ireo fitoriana ivelan’ny kandidam-panjakana. 6 andro naty aorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy. Andrasana izany amin’izao fotoana izao ilay hoe : mpanohitra tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hosoka tamin’ny fifidianana. Nafana rahateo ny ady ara-tserasera tamin’ireo kandida roa voalohany sy ny antoko nisy azy ireo, izay samy nihiaka ho mpandresy. Hikatona hatreo ve ny ambara fa fiarovana ny safidim-bahoaka? Eo am-panomanana paikady sa mety hangina tanteraka tsy hisy tohiny ? Ahoana ny momba Ny mpanara-dia nidoboka am-ponja ? Maneho ny sary politika ankehitriny fa mila atambatra ny hery, mila aim-bao sy rivo-baovao ny fanoherana,…
J. Mirija/Toky R
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia