airtel

Politique

29-juin-2023

Politique

Fahaverezana zom-pirenena Mivoaka ny porofo fa lalàna tena mbola mihatra ilay izy

Sample post image

Na eo aza ny fiarovan-tena samihafa ataon’ireo olom-panjakana samihafa mikasika ny fizakan’ny Filoha ankehitriny

29-juin-2023

Andry Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay, dia mipoitra tsikelikely ny porofo samihafa momba ny fampiharana ny andininy faha-42 amin’ilay lalàna 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960 fa very ny zom-pirenena ho an’ny teratany Malagasy mangataka zom-pirenena vahiny aorian’ny fahafenoany taona. Tena nihatra tamin’ny olom-pirenena io raha ny porofo hita satria ny taona 2017 izao dia nisy fampiharana an’io lalàna io. Tao anatin’izao fitondrana izao, ny 22 jona 2022, ohatra, dia nankatoa fahaverezana zom-pirenena Malagasy ho ana raim-pianankaviana iray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Lehiben’ny governemanta, ary ny Minisitry ny fitsarana. Lainga sy fiarovan-tena tsy mitombina aloha izany ny firesaky ny olon’ny fitondrana, toy ny depiote iray, izay nilaza fa lalàna efa tsy nampiasaina niverimberina io, ka naman’ny efa maty sy tsy mihatra intsony. Roritin’ny fitondrana any amin’ny fahafahany miaro ny Filoha Rajoelina moa ilay lalàna, amin’ny alalan’ny fivoizana ny andininy faha-45 fa tsy maintsy misy fankatoavana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fahaverezana ilay zom-pirenena.. Atao fakan-tahaka ny fananan’ny olona hafa maro zom-pirenena vahiny, saingy ny adihevitra hafa dia ny fomba nahazoana azy, ny sokajin’olona naka izany, ka izy dia tao anatin’ny naha Mpitantana firenena am-perinasa azy,... Raha ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazetin’ny France 24 Rtoa Gaelle Borgia vao herinandro mahery teo izay, dia nanao an’iny I Andry Rajoelina mba ho fiarovana azy na "immunité" tamin’ny raharaha trafikana hazo sarobidy izay nahavoatonontonona ny anarany. Tsy nanara-dalàna Rajoelina raha naka fahefana tamin'ny 2009 satria nanongam-panjakana, ka tsy afaka nirotsaka hofidiana. Resaka fifanarahana no niantombohany satria nitaky ny “Ni… Ni…” ny Vondrona Iraisam-pirenena ka tafiditra tao anatin’ny fifandresen-dahatra ny tombotsoa roa, dia ny hahazoany zom-pirenena Frantsay sy ilay 'immunité" voalaza etsy ambony, raha ny ampahany tamin’io fanehoan-kevitra io. Niezaka nampiseho sary fa hoe: tia tanindrazana, mpitolona I Andry Rajoelina, nanao serasera sy propagandy tamin’ny fitakiana ny Iles Eparses, fa ankilany dia efa karazan’ny namato-tena tamin’ny zom-pirenena Frantsay, izay miteraka fanasokajiana azy ho nanao famadihan-tanindrazana goavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap