ho mpikambana ao anatiny intsony ireo mpikambana namadika palitao tao Mahajanga, araka ny tatitra voarain'ny birao politika nasionaly avy amin'ny mpandrindram-paritry ny antoko ao Boeny ny 10 febroary 2025, momba ny fandikana ny fitsipika anatin'ny antoko nandritra ny fifidianana ny birao maharitry ny filankevim-pitantanan'ny kaominina ambonivohitr'i Mahajanga I. Araka ny fanambarana nataon’ny HVM omaly dia nesorina Atoa RASOLOFONIRINA Jean Michel José Andriamady (Dit Dadilahy). Noho izany dia, tsy afaka misolo tena sy maneho hevitra amin'ny anaran'ny antoko HVM izay notohanan'ny FIRAISANKINA izy amin'ireo sehetra politika izay andraisany fanapahan-kevitra. Ny antoko HVM dia mijoro hatrany amin'ireo fironan-kevitra politika nilofosany sy amin'ny maha mpanohitra azy mba ho fanajana ny etika politika manoloana ny fiatrehana ny raharaham-pirenena, hoy ny fanambarana. Tsiahivina fa nisy mpanolotsaina voafidy tamin'ny Antoko HVM tao Mahajanga nifidy ny filohan'ny filankevitra monosipaly natolotry ny IRMAR.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby