airtel

Politique

02-janv-2023

Politique

Famaritana ny tanin’ny oniversite Vonona hanome soson-kevitra ny MAFAMI

Sample post image

Ny didim-pitsarana avy amin’ny fitsarana ihany no tokony hahafahana mandrava fananan’olona, hoy ny fampahatsiahivan’ny MAFAMI na ny fikambanan’ireo mpianatra eny ambaratonga ambony,

02-janv-2023

mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray, manoloana ny raharaha fandravana tamboho teny Ankatso notontosain’ny CROU-A ka nahatonga ny talen’ity sampana ity naiditra am-ponja vonjimaika. Miantso ny fanarahan-dalana eto amin’ny firenena hatrany ny MAFAMI, hoy izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miditra amin’ny didim-pitsarana nampiharina tamin’ny talen’ny CROU-A ny MAFAMI. Anjaran’ny fitsarana iny. Manana ny tiany ambara koa anefa ny MAFAMI dia ny hoe tokony hanara-dalàna daholo ny rehetra. Mety misy serasera tsy mandeha mikasika ilay fangatahana famaritana ny tanin’ny oniversite na “délimitation”. Ataovy mazava mba ho fantatry ny rehetra sy tsy hifanitsahan’ny andraikitra sahanin’ny oniversite sy ny CROU-A. Tsy mahalala ny CROU-A hoe ny trano ambony no azy fa lasa niaro ny tany izy. Mila paika sy fitsipika mazava ary mety lalana mihitsy izany. Vonona hanome sosonkevitra amin’izany ny MAFAMI raha ilaina ny fakan-kevitra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap