airtel

Politique

16-janv-2023

Politique

Famatsiam-bola mivaingana avy any ivelany 4 815 miliara Ar no tadiavin’ny Fanjakana ho an’ny 2023

Sample post image

Tombanan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho 25 538,6 miliara Ar ny filàna ara-bola mivaingana na BFB (Besoins de Financement Brut) ho an’I Madagasikara ao anatin’ny telo taona manaraka,

16-janv-2023

araka ny antontan-kevitra ara-bola izay natao tovana amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Mila 6 941,1 miliara Ar ho an’ity taona diavintsika ity, ary miakatra ho 8 617,4 miliara Ar ny taona 2024 raha toa ka 9 980,1 miliara ny 2025, araka ny vinavinan’io Minisitera io. Ho an’ilay 6 941,1 miliara Ar ho an’ny 2023, mila famatsiam-bola 4 815 miliara Ar avy any ivelany isika, raha toa ka 2 126,1 miliara Ar kosa no ilaina avy amin’ny famatsiam-bola anatiny. Naroso tao anatin’izany fa isan’ny loharanom-bola manan-danja ny fanetsehana ny findramam-bola ara-pifanarahana momba ny fampandrosoana (prêts concessionnels et semi-concessionnels). Ny mpamatsy vola mahazatra no ambara fa mpiara-miombon’antoka tena manan-danja sy isan’ny tenaambara fa sitrahan’I Madagasikara. Noresahin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola ihany koa ireo rafitra ara-bola iraisam-pirenena, toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny BADEA na ny Banky Arabo momba ny fampandrosoana ara-toekarena, ny BAD na Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana, OFID (prêts concessionnels et semi-concessionnels), FIDA (Fond international pour le Développement Agricole). Ho an’ny fiombonan’antoka eo amin’ny samy firenena, isan’ny noresahina I Japon, France, Inde, ary Korea Atsimo,… Momba ny famatsiam-bola avy any ivelany hatrany, voaresaka ny fampiakarana ny fikatsahana famatsiam-bola “non concessionnels” sy “prêts commerciaux” amin’ireo banky ara-barotra, izay mety tsy azo hihodivirana. Raisin’ny Fanjakana ho tompondahiny ny naoty nomen’ny Standard and Poor’s tamin’ny aprily 2022 hananteana fisitrahana loharanom-bola iraisam-pirenena. Nambara fa isan’ny endrika famatsiam-bola anatiny ny Politikan’ny BTA (Bon du trésor par adjudication ), izay efa ampiasain’ny Fanjakana amin’izao. Manantena sy miantehitra hatrany amin’ny vola avy any ivelany ny Fanjakana Rajoelina. Lazaina fa mipetraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola, ary porofon’izany ny fihaonan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny Filoham-panjakana sy tompon’andraikitra samihafa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny tena zava-misy anefa, mailo amintsika ny iraisam-pirenena, manara-maso fatratra, tsy tena mamoaka bolongam-bola lehibe fa ireo pitipitiny sy famatsiam-bola ho an’ny lafiny mahaolona no tena mandeha. Tsy atokisana amin’ny fanjakana tsara tantana, anjakan’ny kolikoly, ratsy toerana amin’ny resaka fanajana ny demokrasia,… Hisy ve ny fahagagana ao anatin’izao 7 volana farany hitondran’ny Filoha Rajoelina izao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap