airtel

Politique

25-oct-2023

Famerenana ny tany tan-dalàna

Nampitovy tadin-dokanga ireo kandida sy ny herivelona maro

Sample post image

Mpanao politika an-jatony no nihaona tamin’ny Firaisankinan’ny kandida omaly tetsy amin’ny Restaurant Le Pavé Antaninarenina.

25-oct-2023

Sendika, mpanao politika, fikambanana, tanora, olon-tsotra, izany hoe: voasolo tena ireo rafitra samihafa. Nisy noho izany ny fihainoana ny hevitr’ireo antoko manodidina ny 100 sy ireo herivelona samihafa. Ny vahoaka Malagasy mihitsy no mangetaheta fiovana, manana faniriana tahaka ny firenena rehetra, ny tanora mba miandrandra ho avy marin-toerana, hoy ny Firaisankinan’ny kandida tamin’ny alalan’I Marc Ravalomanana. Tao anatin’izany no nanaovan’izy ireo tatitra fohy, fa tena samy manana ny fomba fijeriny avokoa ny rehetra amin’ny ankampobeny, saingy mitovy fijery amin’ny hoe: ahoana no hanarenana an’I Madagasikara hamerenana azy ao anatin’ny tany tan-dalàna, ny fanarahana antsakany sy andavany ny lalàmpanorenana, fa indrindra indrindra ny fiverenana amin’ny fitondrana ara-dalàna ka izay mpitondra eo dia isan’ny zava-dehibe sy andraikitra lehibe indrindra ny fanarahan-dalàna sy fampanarahan-dalàna. “Ezahantsika Malagasy ny miray hina, ary manana fomba fijery na vina lavitra isika ho an’ny taranaka fara aman-dimby, mba tena hahafahana ny mijery ny tombotsoam-pirenena hanafahana ireo Malagasy tena sahirana”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Eo anatrehan’ny resabe samihafa mikasika ny filazana fa mipasaka ny Firaisankinan’ny kandida, dia naneho izy ireo, fa miray hina tsara izy ireo. “Ireo izahay, tena tsy misy mivaky, iray ihany no nandeha ka raha te hanontany ianareo, dia lehilahy lehibe iny dia izy iny anontaniana, mahafantatra tsara ny andraikiny sy ny zavatra tokony hoteneniny ary ny zavatra ataony izy,... Tombotsoam-pirenena no jerena, fa tsy tombotsoan’antoko no mahamay anay eto na tombotsoan’olona iray fa hoe: ahoana no tena hisian’ny fitovian-kevitra mba ahafahantsika mamerina indray ny tany tan-dalàna”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana izay nitondra tenin’ny Firaisankinan’ny kandida. Nohamafisiny fa mitsanga-menatra eo anatrehan’ny firenena avy ivelany isika ary mahita sy mahatsapa ny lesoka eo anatrehan’ny zotram-pifidianana ireo tahaka ny firesahana fa ny HCC tsy mandinika tsar any lalàna fa manaiky fahatany ny zavatra tsy tokony hekena satria misy tahotra, ny CENI betsaka ny zavatra diso ary vola tsy tokony aloa aza naloa fahatany tany, ny governemanta mitongilana,…. Mitohy hatrany noho izany ny tolona izay tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy, ary mitombo hery eo anatrehan’ny fidirana an-tsehatry ny herivelona samihafa eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Ho an’ny anio, miverina ny diabe, izay hiainga etsy Anosizato ny atoandro, ary hisy ihany koa any Imeritsiatosika ny tolakandro, araka ny fampahafantarana efa nataon’ny Firaisankinan’ny kandida.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap