airtel

Politique

27-mars-2023

Politique

Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary

Sample post image

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

27-mars-2023

Ny zoma dia efa nisy olana satria nilaza izy ireo fa tsy nomen’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) alàlana hiainga ny fiaramanidina manokana (vol privé) tokony hitondra ny solombavambahoaka 6 mirahalahy ho any Mananjary. Tatitra amin’ny vahoaka niarahana tamin’ny Depioten’i Mananjary Mamihaja Charlot sady hanentana ny MIHAVA TOUR (Mihaino Antsika Vahoaka) iarahana amin’i Siteny Randrianasoloniaiko no anton-dia. Tamin’ny zoma 24 tamin’ny 3 tolakandro no tokony hanainga ny fiaramanidina ; ny maraina tamin’ny 10 ora no notakiana ny lisitry ny mpandeha ary efa nilamina ny pitsopitsony rehetra tamin’ny 11 ora. Tsy namoaha fahazoan-dàlana mihitsy ny ACM hatramin’ny ora farany. Voatery nandeha fiara ireo ekipan’I Siteny nahitana an-dry depiote Voninahitsy Jean-Eugène, Jean-Jacques Rabenirina, Edizara, Djaosera Irénée, Mohamad Ahmad ary Siteny Randrianasoloniaiko. Tao Mananjary indray, raikitra ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana, nipetrahan’izy ireo hatramin’ny lapihazo,… Na dia teo aza ny sakana, tsy tana fa nirohotra nandeha teny amin’ny « Domaine privé Député Haja Ambatolambo » ny vahoaka, notarihan’i Siteny Randrianasoloniaiko sy Député Mamihaja Charlot ary ireo sy ireo depiote hafa. Noho ny tsy fisian’ny « sono » izay noraran’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny farany ny hametrahana azy teny amin’ny « estrade » dia teo ambony fiara 4x4 no nanao kabary fohy tamin’ny « sono mobile » i Siteny Randrianasoloniaiko. “Misaotra Mananjary na dia nosakanana aza ny MIHAVA TOUR, dia tonga maro ianareo vahoakan'i Mananjary, namaly ny antso, noho ny fitiavanareo sy ny finiavanareo mba hisitraka fivoarana sy ho avy mendrika kokoa. Misaotra Mananjary. Niaraka niaritra ny mafy isika ary nibata fandresena lehibe : zanakareo aho manomboka androany”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Ho an’ny omaly, dia tao Manakara indray no nifamotoana tamin’ny mpanara-dia azy I Siteny, ary naneho fa mahazaka vahoaka maro.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap