airtel

Politique

12-avril-2023

Politique

Famotehana nentin-dRajoelina Isan’ny lasibatra indrindra ny Vola Malagasy

Sample post image

Tamin’ny taona 2008 dia teo amin’ny 1284 Ar ny sandan’ny euro iray, nanomboka niakatra tany amin’ny 1674Ar ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana,

12-avril-2023

ary nananika ny 2700Ar ny taona 2013 nifaranan’ny tetezamitan-dRajoelina, izany hoe: nahatratra 1400Ar mahery ny elanelana tamin’ny sandan’ny fanakalozantsika ny vola Malagasy amin’ny euro, izay midika fitotonganan’ny ariary na “dévaluation”. Nireharehana tao anaty tetezamita ny hoe: na voasazy aza dia manam-bola hanodinana firenena kanefa ny tahirim-bola vahiny manodidina ny 2 miliara dolara navelan’ny Fitondrana Ravalomanana no isan’ny novantanina tao, ary kofona tanteraka taty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, fongana ny vola tokony hitazonana ny sandam-bola sy toekarena,… Mbola nisy fiakarany io tao anatin’ny fitondrana Rajaonarimampianina izay nandray ny lavaka mangitsoky ny tetezamita, vao nanomboka namerina ny fitokisana iraisam-pirenena vokatry ny sazy ara-politika, toekarena, diplaomatika,… Teo amin’ny 2940Ar eo ny sandan’ny Ariary ny taona 2014, ary nananika ny 3500Ar ny sandan’ny euro iray ny taona 2018, izany hoe: teo amin’ny 800Ar teo ny fiakarany. Tafaverina teo amin’ny fitondrana indray I Andry Rajoelina ny taona 2019, ary io iarahantsika mahita io ny fitotonganan’ny Ar. Niainga 3906 indray izany ny 2019, ary raha ny tsenan’ny fifanakalozana ara-bola na MID (Marché Interbancaire des Dévises) ho an’ny omaly 11 aprily 2023, dia nitentina 4728Ar ny sandan’ny 1euro, raha toa ka 4362Ar ny 1dolara.
MPIVIDY FA TSY MPAMOKATRA
Mazava ary miharihary izany fa izy mihintsy no tena manimba ny vola Malagasy ary tsy hay intsony na hiafara ohatrinona izy ity vao ho tonga saina izy? Ny antony? Tsy miraharaha famokarana mihitsy ny politikam-panjakana ankehitriny, hany ka lasa mpividy ary mpanafatra ny Malagasy fa tsy mamokatra. Manantena endrika fa tsy mihevitra ny hamokatra. Asa na tena tia mamitaka na voafitaka ihany koa izy fa dia ny endrika no zava-dehibe, hafahafa ny laharam-pahamehana,.. Tsy mahalala filaharan’ny laharam-pahamehana ka mihevitra fa laharam-pahamehana daholo ny rehetra. Ohatra, ny fialam-boly no isan’ny andanian’ny fanjakana vola be ankehitriny, nefa ny làlana potika izay miteraka fanafarana solika sy kojakoja mihoatra be, ka napitotongana ny vola Malagasy. Maika amin’ny zavatra mirentirenty tsy miteraka harena sy vola satria te hametraka tandindona ara-politika sy anarana,… Izany ve no endri-pitantanana mbola tiana hotohizana ka sanatria mety hanaovana ny tsy fanao mihitsy hitazonana io seza sy fahefana io ?
ENCADRE
2008 : 1 euro = 1284 Ar
2009 : 1 euro = 1674 Ar
2013 : 1 euro = 2700 Ar
2014 : 1 euro = 2940 Ar
2018 : 1 euro = 3500 Ar
2019 : 1 euro = 3906 Ar
2023 : 1 euro = 4728 Ar
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap