airtel

Politique

16-juin-2021

Politique

Fampanantenana tsy mety tapitra an’ny fitondrana Maha te hiteny ratsy, hoy ny mpahay lalàna

Sample post image

Tsy nitsitsy fitenenana amin’ny maha zanaka tatsimo azy tetsy amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy omaly ny mpahay lalàna, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala,

16-juin-2021

 

 

 

 mikasika ny tetikasan’ny fitondram-panjakana momba ny lalam-pirenena faha 13. Efa mitady hatahotra sy leo aho, hoy ny tenany, satria be loatra ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena hatrany amin’ny propagandy. Vao miha nataony betsaka izany nony izy nandray fitondrana. Maha te hiteny ratsy mihitsy satria ny eo tsy vita, asosoka ihany anefa ny vaovao, izay famerimberenana ny teo aloha ihany. Niteny ianao tamin’ny fotoan’androny, raha nanao fitokanana ilay “pipline” nataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina tany Beloha, hoe ataoko ity RN 13 ity. 2020 iny dia izao 2021, miverina indray izay teny izay. Rahoviana ihany izany? Aza ambakaina ny olona! Fantantro izany RN13 izany fa manomboka avy ao Taolagnaro hatrany Ihosy fa tsy Taolagnaro hatreo Ambovombe. Tohizo hatramin’ny farany ary aza atao HIMO fa tsy tatatra akory io. Raha izany no hanaovana an’iny atsimo iny dia herintaona dia rava. Raisintsika indray ilay hoe RN10, izay lazaina fa Andranovory sy Ampanihy. Ampanihy, Beloha, Tsihombe, Ambovombe, Taolagnaro mbola RN10 daholo. Aza atao tapatapaka asan’ny kamolahy ilay izy! Raisintsika koa ilay hoe fako sy rano. Avy any Ranomafana, Manambotry, Farahantsa, Ifaka Ivondro handalovan’ilay fako daholo. Tsy mety vita, indrindra koa ny ao Ambinanibe. Tsy mety ritra io fako io ary ny maha lasa ny saiko dia hoe volantsika Malagasy madiodio no hanaovana an’io ary mba nanontany mikasika ny LFI aho fa tsy misy voalaza ao mihitsy izany. Vola avy aiza no nanaovana an’io satria lazaina fa volantsika Malagasy madio, hoy hatrany ny tenany ? ‘

 

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap