airtel

Politique

11-sept-2023

Fampandaniana an’I Tahina R.

Nitsangana ny rantsan’ny FTT Faratsiho

Sample post image

Nitsangana ny rantsan’ny vovonana Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT ao amin’ny Distrikan’I Faratsiho.

11-sept-2023

Nandrafitra izany ireo kaominina miisa 9 ao anatin’ny distrikan’I Faratsiho, ny 7 septambra teo. Ny FTT dia nanolotra an’Atoa Tahina Razafinjoelina ho kandida filoham-pirenena amin’ny 09 novambra izao, ka nanambara ny sampan’ny FTT ao anatin’ny distrikan’I Faratsiho fa manohana tsy misy fepetra an’ity kandida ity. Antony maro no nahatonga ny safidy. “Izy no kandida madio, amin’ny maha mpampianatra azy dia heverinay fa manana traikefa amin’ny fanarenana ny Firenena”, hoy ny FTT Faratsiho. Resy lahatra amin’ny vina entiny izahay, dia ny Malagasy mifampiahy, fanabeazana mitodika amin’I Madagasikara, Malagasy mamokatra sy mivelatra maneran-tany, vahoaka mandry fahalemana, Madagasikara maitso ny tontolo, Malagasy tia ny Malagasy, fahasalamana antoky ny fampandrosoana, Malagasy marina,… hoy hatrany ny fanambarana. Manao antso avo amin’ny Malagasy havana, ny kristianina rehetra, antoko politika, tantsaha eto amin’ny distrikan’I Faratsiho hifanome tànana amin’ny fampandaniana azy amin’ny fifidianana ho avy izao, miara-dia vao mandresy, fa tsy mandresy vao miara-dia, hoy ny fanentanana sy antso avo nataon’ny FTT Faratsiho.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap