airtel

Politique

09-mai-2023

Politique

Fampidirana miaramila 4000 Mila 20 tapitrisa Ar eo isan’andro, bizina ho an'iza indray ?

Sample post image

Niteraka adihevitra ny ho fandraisan’ny tafika miaramila zazavao miisa 4000 hanao fifanarahana manomboka ny fiandohan’ny aogositra izao ary ao anatin’ny 2 taona ihany,

09-mai-2023

araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny 03 may lasa teo. Maro no nametra-panontaniana hoe : sao sanatria vao mainka handeha hanamaro isa ny jiolahy ireo izay tsy ho voaray ho miaramila raikitra aorian’ny roa taona kanefa efa nahavita fiofanana ara-miaramila toy ny fitazonana basy sy paikady samihafa ? Fifandrifian-javatra ve ny hoe : tao anatin’izay 5 taona latsaka izay tsy tena nanao an’izany fa amin’izao akaiky fifidianana izao vao mihazakazaka amin’io ka sao sanatria misy ambadika politika ? Tsy misy karama ny filatsahana an-tsitrapo eo anivon’ny tafika amin’ny alalan’ny fanompoam-pirenena fa ireo efa miaramila raikitra no misitraka izany. Sakafo sy famatsiana ireo filany noho nizany no iantohan’ny Fanjakana. Etsy andaniny, raha ny loharanom-baovao sy fanehoan-kevitra avy amina manamboninahitra ambony, manodidina ny 5000Ar isan’andro isan’olona ny PGA (Prime générale d’Alimentation) ary ahiana ny mety ho fisiana kajikajy ara-bola ao anatin’io. Tena hahatratra 4000 marina ve no hampidirina sa sao sanatria misy tetika hamoaham-bola ao anatin’izao Fitondrana ho tapitra fe-potoana iasana izao? hoy ny fanontaniana sy ny ahiahy mivoaka. Raha atao ny kajikajy mahatratra dia 20 000 000Ar isan’andro raha toa ka misitraka 5000Ar isan’olona ireo 4000 ireo. Ao anatin’ny 2 taona (730 andro) izany dia mahatratra 14 600 000 000Ar. Raha toa ka 2000 fotsiny, ohatra, no ampidirina ka ny antsasany tsy tena misy na « fictif » dia 7 300 000 000Ar mety handehandeha any ambadika any. Tsy tafiditra ao anatin’io ny resaka saran’ny fanofanana, fanamiana, fampitaovana,… Ny ahiahy tokoa tsy hihavanana, ary tsy vaovao amin’ny fitantanana eto Madagasikara ny resaka kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana,… ka dia andrasana izay mety ho fisehon’ity resaka fampidirana miaramila zazavao 4000 ity. Sanatria tokoa ve misy olona na vondron’olona mitetika hanao fitaovana handraofana volam-panjakana tokoa io satria hoe: efa ho lany ihany ny paiso an-kady?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap