airtel

Politique

06-juin-2023

Politique

Fampiharana demokrasia Tena mbola lavitry ny fenitra i Madagasikara

Sample post image

Olona manodidina ny 500.000 isa no nidina an-dalam-be ny alahady teo tany Pologne, firenena iray any eoropa atsinanana nanohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana any an-toerana.

06-juin-2023

Vaovao nanakoako teo amin’ny sehatra iraisampirenena izany. Tsy nifanalavitra tamin’ny an-drizareo frantsay izay nanao fitokonana nahavoahangona olompirenena an’alin-kisa tamin’ny fotoan’androny noho ny fiakaran’ny vidin’ny mofo dipaina. Endriky ny fampiharana demokrasia ankoatran’ny fandatsaham-bato rehefa fifidianana izany. Fandatsaham-bato izay miteraka adihevitra be tato anatin’ny taona maro, raha ho antsika, satria dia hoe sarintsarina demokrasia fa tsy tena demokrasia ihany koa nefa efa io sisa. Misy mpanohana izao fitondrana izao milaza moa fa malalaka ny fanehoan-kevitra eto satria dia afaka mitabataba isan’andro anaty onjampeo ary milalalala eny amin’ny tambazotran-tserasera ihany koa. Firifiry tamin’ireo mpaneho hevitra tamin’ny tambazotran-tserasera toy ny Facebook moa nefa no tsy efa nidoboka am-ponja rehefa hita fa matetika maneho izany heviny izany ary mitsikera izao fitondrana izao tao anatin’izay 5 taona latsaka kely izay? Toy izany koa ireo naneho hevitra tamin’ny haino aman-jery? Raha malalaka tokoa, fara faha keliny, nihoatra ny tany aloha ary ny fanehoan-kevitra tao anatin’izao fitondrana izao, maninona no tsy vitan’ny hoe nihemotra fotsiny ny laharana misy antsika teo amin’izay lafiny fahalalahana izay fa tena nitotongana mihitsy, hoy ny Reporter sans frontière na RSF? Nolazain’ireto farany fa very toerana miisa 40 teo isika ka lasa laharana faha 98 ny taona 2022 dia farany teo indray mbola voalaza fa very toerana miisa 3 ihany ka lasa faha 101. Haneho tsy fahafaliana amin’ny mpitondra anao ve ianao dia tokony hila haka alalana, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Teza? Lalàna adaladala izany, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Hita ho tena mbola lavitry ny fenitra, araka izany, ny fampiharana ny demokrasia eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha

Card image cap
26-sept-2023

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

Card image cap
26-sept-2023

Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!

Card image cap
26-sept-2023

Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,

Card image cap
26-sept-2023

Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.

Card image cap
26-sept-2023

Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.

Card image cap