Naivo Raholdina, filohan'ny vaomieran’ny fananantany eny anivon'ny antenimieram-pirenena, fa misy mikasa haka ny tany misy ny trano fonenana sy fiompiany amam-polo taonany dia nanao fanadihadiana teny amin'ny “Domaine” na sampan-draharaha momba ny fananan-tany ity solombavambahoaka ity, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hita fa mbola boky rovitra io tany misy mikasa haka io, hoy ny fanazavana. Nambaran'ireo niharan'ny tsindry hazo lena fa noterena handoa vola 9 tapitrisa Ariary izy ireo raha te hijanona eo amin'io tany efa misy azy io. Nidina teny an-toerana ny depiote, Naivo Raholdina, ny sabotsy teo nijery ifotony ny zava-misy. Tranga efa fahita ny toy izao, hoy izy. Araraotin'ny mpanam-bola sy ny mahitahita ny faharovitan'ny bokin’ny tany iray. Io no nanoloran'ity depiote ity lalàna mahakasika ny boky rovitra mba hamahana izany olana izany sy tsy hisian'ny fanararaotana ireo tsy mahay taratasy sy sahirana, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby