airtel

Politique

19-janv-2021

Politique

Fanadihadian’ny loholona “Avoahy ny lisitr`ireo voafonja maty tany Farafangana”

Sample post image

Raharaha efatra no nohadihadiana ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo

19-janv-2021

 

 

 

anivon’ny Antenimierandoholona ka anisan` ny raharaha fonjan’ i Farafangana. Notsipihan` ny Loholona Randriamanantsoa Jafetra no Filoha hitarika ny vaomiera misahana ny fanadihadiana mahakasika ny famonoana faobe ireo voafonja nandositra tany Farafangana, teny am-boalohany fa ny minisiteran` ny fitsarana dia namaly ny antso nandritra ny famotorana natao. Ankoatra izay, nambaran`ity loholona ity fa “mampalahelo fa tsy misy vidiny ny ain`olombelona. Misy amin`izy ireo no tsy mbola tsy voatsara”. Teboka efatra moa no navoitrin` ity loholona amin` ity raharaha ity. Ary notsipihany manokana fa misy tsy fahatomombanana eo amin` ny fifandraisan` ny fitsarana sy ny fonja (dysfonctionnement judiciaire et pénitentiaire). Nanamafy ity loholona ity fa tsy fonja vaky akory no niseho tany Farafangana fa novoizina fotsiny iznay. Famonoana olona amin` ny fomba feno habibiana no nitranga tany. Mitaky hatrany ny vaomiera amin`ny famoahana ny lisitr`ireo voafonja maty. Raha tsiahivina, miisa 23 ireo namoy ny ainy, 18 ireo tsy hita ary 47 no efa naverina any am-ponjana.

Marigny A.

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap