an’ny mpandeha tongotra ary ny arabe an ny fiara. Tompon’andraikitra amin’ny famerenana azy amin’ny laoniny ireto mpanao “selfie” mihaingo be ireto raha ho tonga ny taom-baovao fa afaka adidy ry pôly sy ny mpandihiny. Dia mirary antsika ho tratry ny taom-baovao aby tompoko fa mafy izay niaretana teto izay. Tsisy tsirony mihitsy tsy nisy sitraka mihintsy ... Izahay ihany koa mahazaka eh”. Io no tenin’ny mpanakanto sady depiote Rossy tao amin’ny kaonty facebook-ny omaly, izay toa nanaitra ny rehetra hoe: fa inona no antony nahatonga azy hanao io karazana fanehoan-kevitra toa mifono kiana mavaivay toa mifono lonilony eo amin’ny samy olon’ny volomboasary io? Ny sariny miaraka amin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina no nandravahany ity fanehoan-keviny ity. Raha hiverenana mantsy, dia ny Filoham-pirenena mihitsy no niaingan’ny baiko midina namerenenana ireo mpivarotra amoron-dàlana eo amin’ny Petite Vitesse hivarotra taorian’ny horakoraka sy siotsioka nandritra ny kortezin’ny Filoham-pirenena ny 20 desambra teo. Taorian’io, nandefa iraka teny an-kianja dia ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika sady mpitondra tenin’ny Filoha dia Rtoa Lova Ranoromaro ny Prezidansa, ary nisy ny resaka tamin’ny finday nifanaovan’ireo mpivarotra tamin’ny Filoha. Nambara fa niresaka nifampireska momba ny vahoalana ny Prezidansa sy ny CUA ka afaka mivarotra saingy manaja ny fandaminana toy ny fanadiovana ny mpivarotra hatramin’ny 01 janoary 2023. Andro vitsivitsy tato aoriana vao namoaka serasera ny ben’ny tanàna, izay toa nanamafisana ny nambaran’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tsy vita hatreo, fa mbola nisy indray ilay fizarana fanomezana ho an’ireo mpivarotra mba hiatrehana ny fety,… Mahagaga anefa itony seraseran’ny depiote Rossy itony, izay tsy vao sambany ny karazana kiana mivantana na ankolaka eo anatrehan’ny fahitana zavatra tsy mety. Toa maneho fa nanaiky tsy fidiny ny Kaominina tamin’ny fanapahan-kevitry ny Prezidansa, ary misy olona toa manajoboka ao an-dapa, ary tompon’antoka amin’izay hiseho aoriana fa afaka adidy ny ben’ny tanàna. Toa maneho ankolaka, fa mpanakorontana lamina sy mpitarika any amin’ny fanoherana lamina ny olon’ny Prezidansa mba hanaovana serasera sy “selfie”. Na izany na tsy izany, toa mipaka any amin’ny Filoha Rajoelina ihany ny fantsy alefan’i Rossy !
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny