airtel

Politique

15-févr-2022

Politique

Fanalana sy fialàna minisitra Manomboka misy mivoy resa-poko sy fihaviana

Sample post image

Manomboka misy mivoy ankehitriny ny resaka foko sy fihaviana manoloana ny toe-draharaham-pirenena miseho. Mifoha io taorian’ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza.

15-févr-2022

 Misy ny maneho, fa rehefa ny Minisitra na olona ambony avy any an-tsisin-tany na “côtier” no misy zavatra mahasaringotra na mahavoatonona azy, dia haingana ny fanapahan-kevitra sy fanosehana azy mivantana na ankolaka hametra-pialana. Efa tratran’ny ohatran’io ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany teo aloha Atoa Brice Randrianasolo, iny nanaraka iny koa ny Minisitry ny Fitsarana. Samy noviravirain’ny tambajotran-tserasera Facebook izy mirahalahy ireo rehefa tratry ny karazana ampamoaka. Ny iray minisitra manana fihaviana avy any amin’ny tapany Atsimo ary ny iray avy any Antsinanana. Talohan’io, ny jona 2020 dia efa nisy ihany koa ny Minisitry ny fanabeazana Andriamanana Rijasoa zanak’I Mahajanga noho ny “bonbons sucettes” 8 miliara Ar. Adihevitra goavana ny nanesorana ny Minisitry ny fahasalamana Ahmad Ahmad mbola zanak’I Mahajanga ny aogositra 2020, kanefa tena nanao ny asany, Minisitra isan’ny malaza ratsy ao anaty Fitondrana amin’izao no isan’ny nanenjika azy mafy ho efa songonan’ny zava-misy,… Rehefa minisitra na olona ambony avy eto afovoan-tany kosa no mety ho manana dosie na raharaha goavana toa ananana henamaso sy arovana kokoa ao anatin’izao Fanjakana izao, hoy ny fanehoan-kevitra. Tonga hatrany amin’ny hoe: tsy lany ianao Atoa Rajoelina raha tsy ny vatonay “côtiers” kanefa izao no hanaovanao ny Raiamandreninay, ny zanakay, ny olona reharehanay,… Saropady ity resaka foko sy fihaviana ity, ary tsy tokony ho firesaka intsony amin’izao taon-jato misy antsika izao, efa iray ny Malagasy rehetra amin’izao, ary mifameno ny rehetra fa tsy tokony hisy mpifandrafy, saingy isan’ny politika nampiasain’ny mpanjanaka moa ny fampiadiana foko, isan’ny nentina nandravana ny fihavanana Malagasy, eny fa lasa lalaovina amin’ny politika aza moa ankehitriny. Matoa anefa mandeha ny fanamarihana sy kiana dia mety misy mahatsapa mizana tsindrian’ila ihany ao hoe: nahoana no rehefa iretsy no manao ny tsy mety dia vitavita ho azy fa nahoana rehefa iretsy hafa iretsy dia tsy misy indrafo? Mila mandinika ny Filoha Rajoelina amin’ny fanadiovana ireo manodidina azy, ary mila manana fahasahiana sy tsy fitanilàna, ka sahy hanapa-kevitra mahitsy sy hentitra, raha te hanarina ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap