airtel

Politique

10-oct-2023

Fanambaran’ny Amerikanina

“Hajao ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon’ireo kandida”

Sample post image

Namoaka fanambarana momba ny fifidianana malalaka sy madio mandritra ny fotoana fampielezan-kevitra

10-oct-2023

ofisialy ny Misiona Amerikanina, araka ny vaovao voaray omaly. “Hiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ofisialy i Madagasikara ny 10 Oktobra izao ka manentana ny governemanta iaraha-mitantana sy ny kandidà rehetra i Etazonia mba hanao ny ezaka rehetra hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy. Zava-dehibe amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny firenena ny fifidianana. Ny fifidianana dia na hampandroso na hampihemotra ny fampandrosoana ara-demokratika sy ara-toekarena maharitra ao amin'ny firenena iray. Ny foto-kevitra fototra mamaritra ny fifidianana malalaka sy madio dia ny tsy maintsy hisian’ny tena fifaninanana ara-politika ary ny tsy maintsy hahitana taratra ny fahalalahana maneho ny safidim-bahoaka. Mba hahatongavana amin’izany, ny governemantan’i Madagasikara dia tokony hanaja ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ireo kandida rehetra sy ireo mpiara-dia aminy hivory am-pilaminana, ary tokony hanome azy ireo ny fitoviana amin’ny fisitrahana ny haino aman-jery sy ireo toerana fanaovana fampielezan-kevitra”, hoy io fanambarana io. Miantso ireo kandidà rehetra izahay mba hitandro ny filaminam-bahoaka rehefa hampahafantatra ny fandaharanasany sy haneho ny heviny amin’ny alalan’ny hetsika famoriam-bahoaka sy fampielezan-kevitra tanterahana am-pilaminana izy ireo, hoy hatrany io fanambarana io, izay nampahatsiahy fa zo feno ananan’ny vahoaka Malagasy ny hahafahany mandinika ny ho safidiny ao anatin’ny tontolo milamina sy azo antoka mialohan’ny hanehoany izany safidiny izany amin’ny alalan’ny latsa-bato. Nampahatsiahy ny Masoivoho Amerikanina tarihin-dRtoa Claire Pierangelo fa nandritra ny fihaonan’ny Filoha Amerikana Biden tamin’ireo mpitondra Afrikanina, tamin’ny fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika, dia nanamafy ireo mpitondra miisa enina ka anisan’izany ny an’i Madagasikara ny fahavononany hanatanteraka fifidianana malalaka sy madio, anaty zotram-pifidianana mangarahara ary koa tantanina vaomieram-pifidianana mahefa sy mahaleotena sy tsy mitanila araka izay voafaritry ny Sata Afrikana momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantanana. Asa tena izay ve ny sary miseho sy ny fihetsiky ny mpitondra?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap