nogiazana taorian’ny fanadihadiana lalina nataon'ny Birao mahaleo tena miady amin'ny kolikoly (Bianco) momba izany. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafahana nanamarina fa tsy namerina ireo fitaovana ireo ny mpiasan'ny CENI teo aloha taorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasany, hoy ny tatitra. Voalaza fa efa nisy ny fampitandremana nataon'ny vadin-tany sy taratasy fampahafantarana ary fiantsoana sy fakana am-bavany. Voakasik'izany ny filohan'ny CENI teo aloha sy ny filoha lefitra 3, ary mpampaka-teny 2 sy mpanolotsaina 3. Nandalo teo am-pelatanan'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) ny raharaha omaly 19 septambra 2023. Natolotra ny Antokon-drajaraha misahana ny fakana fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI noho izany ny fanapahan-kevitry ny PAC momba ny fanagiazana ireto fitaovana ireto, raha ny fanamarinana. Fiara nampiasan’ireo tompon’andraikitry ny CENI ireo mazava ho azy, fanomezana avy amin’ny firenena vahiny, raha tsiahivina. Vao ny 31 teo no nampahafantatra ny Firenena Japoney, fa nanambara fa hanolotra 4.500.000 .000 Ariary, izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 hampiasaina eo anivon’ny CENI foibe sy ireo rantsamangaikany indray.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny