airtel

Politique

08-mars-2021

Politique

Fanangonan-tsonia fanalana ny Filoha 564 no vitan’ny RMDM Diaspora hatreto

Sample post image

Miisa 564 ny sonia voaangon’ny RMDM Diaspora, mitaky ny hialan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany.

08-mars-2021

 

Nanomboka ny 21 febroary no nanaovan’izy ireo an’io, ary kendrena ho tonga 1000 io amin’ity herinandro ity. Manitrikitrika izy ireo fa tamin’ny alàlan’ny hala-bato no nakana ny fahefana, ary ny mba tsy isian’ny korontana no namelana azy hitondra. Ny 28 febroary 2020, niaiky ny fisiana « doublons » amin’ny lisi-pifidianana miisa 1.162.512 ny Filoha lefitry ny CENI, hoy ny RMDM Diaspora. Hitrikitrihan’izy ireo ny fisiana fampidirana fitaovam-piadiana, fony kandida i Andry Rajoelina, kanefa melohin’ny lalàna velona iraisam-pirenena nosoniavin’i Madagasikara, izany toe-javatra izany. Maro ihany koa ny fanitsakitsahana lalàmpanorenana, toy ny fanendrena Governora sy ny saika nanafoanana ny Antenimierandoholona. Tsy voafehy ny fivoahan’ny harem-pirenena, toy ny volamena 73,5kg. Maro ny kolikoly avo lenta, toy ny raharaha « écran plat » mahasaringotra ny minisitry ny Atitany mivady,… Tondron’izy ireo ho fanjakana jadona mpanagadra olona fahatany ihany koa ny Fanjakana Rajoelina, ankoatra ny fanamelohana tamina herisetra niteraka faty olona. Mety hisy akony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fihetsiky ny Malagasy mpila ravinahitra tahaka izao.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap