airtel

Politique

26-janv-2023

Politique

Fanatanterahana fifidianana Mila hatrany amin’ny 142 miliara ny CENI…

Sample post image

Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI

26-janv-2023

ao anaty lisitry ny mpifidy nanomboka ny 01 oktobra 2022 hatramin’ny 24 janoary 2023, raha ny antontan’isa azo tamin’io vaomiera io omaly 25 janoary 2023. Manome 66,51%-n’ny tanjona nofaritan’ny CENI hahatafidirana mpifidy 13 500 000 io. Raha izao sary izao, ahiana tsy ho tratra izany ny 10 tapitrisa tamin’ny fifidianana 2018 izay hafahafa ihany izany.
Mbola mitohy hatramin’ny 31 janoary izao ny fitetezana isan-tokantrano ataon’ny mpanisa mpifidy, izay nankinina amin’ny Vaomiera Ifotony mpanisa mpifidy (CLRE). Mitohy kosa ny fahafahan’ny olom-pirenena tsirairay manatona ny biraom-pokontany misoratra anarana na dia tapitra aza io datin’ny 31 janoary io, hoy ny filohann’y CENI, Dama Andrianarisedo. Nisy ihany koa moa omaly ny fihaonana voalohany teo amin’ny CENI sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF). Nahitana ny Mpandritra maharitry ny Firenena Mikambana, ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, Ambasadaoron’ny Vondrona Afrikanina, Solontenan’ny PNUD,… Natao ifanakalozam-baovao momba ny zotram-pifidianana, niresahana ny ezaka vita, nampahafantarana ny andraikitry ny CENI mikasika ny zotram-pifidianana, indrindra fa ny fifidianana Filoham-pirenena, hoy ny Filohan’ny CENI. Isan’ny mbola baraingo ny hoenti-manana ara-bola, ary nisy ny nambaran’ny filazam-baovao fa mangataka 33 tapitrisa dolara na 142 miliara Ar ny CENI. “Tsy dia hoe: fangatahana amina vondrona manokana, fa ilay 33 tapitrisa dolara no vinavinan’ny CENI amin’ny tetibola hoenti-manatanteraka ny fifidianana”, hoy ny Filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo. Ity farany izay naneho fa tsy niresaka tamin’ny CENI ny PTF hoe: tsy mahatoky. Mazava aloha izany fa mbola tsy manana vola ampy hoenti-manatanteraka ny fifidianana ny CENI. Nanamafy anefa ny filohany fa tsy maintsy hisy ny fifidianana satria ny lalàmpanorenana no milaza fa tapitra amin’ny 24 janoary 2024 ny fe-potoana iasan’ny Filoha ankehitriny, araka ny fanazavany. Tetsy ankilany, tsy mbola nilaza sy nanome antoka mazava amin’ny fanampiana hoentiny ny PTF. Naneho fa miseho amin’ny endrika maro ny fanampiana, ka ao anatin’ny fifampidinihana amin’ny CENI izao, ary vao andro voalohany. Misy tetibola, misy drafitr’asa, ary misy zavatra andrasan’ny CENI ka mbola hiadian-kevitra ny hoentinay amin’ny CENI, hoy ny Mpandrindra Maharitry ny Firenena Mikambana Sanogo Issa..
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap