airtel

Politique

04-mars-2024

Fanatanterahana ny Tanamasoandro

Hataon’ny Tiorka indray hono!? Fa nankaiza ny Al Jaber ?

Sample post image

Ampangain’ny karatra eny hatrany ny Fitondrana Rajoelina amin’ireo makety samihafa

04-mars-2024

izay entina hanaovana serasera amin’ny tetikasa goavana, kanefa ny paikady sy ny hoenti-manana mbola manjavozavo. Miharihary fa ny serasera sy ny endrika ivelany hatrany no mipoapoaka. Ankehitriny, nanao pimaso tany amin’ny Tiorka indray amin’ny fanatanterahana ny tanàna vaovao any Imeritsiatosika satria voalaza fa handefa ireo mpandraharaha afaka manampy an’i Madagasikara amin’ny fananganana izany ny governemanta Tiorka. Inona no ho tambiny ? Efa 5 taona teo izay ny makety, misy tokoa ny ampahan-javatra efa mitsangana any Imeritsiatosika, saingy tsy araka ny makety ny serasera maro natao. Tany amin’ny mey 2022, niradraraka ny serasera fa ho mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro ny vondrona AL JABER, izay vondrona matanjaka anisan'ny nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi izay fantan-daza maneran-tany. Ny 30 may 2022 mantsy, dia nihaona tamin'ny Filohan'ny Filankevim-pitantanan'ity vondrona ity, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri, ny Filoha Rajoelina tao Abu Dahbi. Natao nifanaraka amin'ny zava-misy eto sy ny filàn'i Madagasikara ny paikady entina hanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro naroson'ny vondrona AL JABER tamin'ny delegasiona Malagasy, hoy ny serasera tamin’izany. Nambara fa anisan'ny laharampahamehana amin'ny fanatanterahana ny tetikasa ny fanajana ny tontolo iainana sy ny sehatra sosialy amin'ny alalan'ny fanomezana asa ny vahoaka Malagasy. Voarakitra ao anatin'ity paikady ity ihany koa fa 60%-n’ny akora sy ny fitaovana ampiasaina dia ho vokarina eto Madagasikara avokoa, mba hampihena ny fandaniana vokatry ny fanafarana sy ny fitaterana ary ny fivezivezen’ireo fitaovana ilaina. Araka izany, hananganana « sites » miisa 06 eo akaikin'ny Tanamasoandro ny Al JABER hahafahana manao ny famokarana izay akora sy fitaovana ilaina eto Madagasikara ihany, hoy ny serasera tamin’izany. Roa taona latsaka aty aoriana, aiza ihany koa izany izao ? Sao mba ho tahaka izany ihany koa ity resaka « Autoroute » na lalàm-be migodana Antananarivo-Toamasina ity izay nambara fa ny orinasa Ejiptianina Samcret no hanao azy, efa noresahana fa anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny fanaovana ny ampahany voalohany 80 km mitentina 301 miliara Ar, efa naderadera tamin’ny serasera hoe : ireny ny fitaovana hanamboatra azy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap