airtel

Politique

24-août-2022

Politique

Fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana 86 tapitrisa dolara no atontona amin’ny “PRODIGY”

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Novotel Ivandry Antananarivo omaly teo ny “Atrik’asa fampivondronana ireo solontenam-panjakana manerana ny Nosy” mandritra ny roa andro dia ny 23-24 aogositra 2022.

24-août-2022

Tonga nanokatra izany ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin sy ny Mpandrindra ny tetikasa PRODIGY (PROjet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l’Identité Malagasy) Rtoa Stephanie Delmotte, ary miatrika izany kosa ireo Lehiben’ny distrika, Prefen’ny polisy,… amin’ny maha tompon’andraikitra ny fitantanan-draharaham-panjakana eny eny amin’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana azy ireo. Miompana amin’ny fanatsarana sy fampanarahana ny toetr’andro sy ny fenitra iraisam-pirenena ny fitantanan-draharaham-panjakana io, ka hojerena manokana sampan-draharaha momba ny soram-piankohonana eny anivon’ny Kaominina 1695 sy ny distrika 119. Tanjona ny fampisitrahana kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana miainga amin’ny fampiasana haitao sy teknolojia avo lenta, amin’ny alalan’ny tetikasa PRODIGY vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola hatrany amin’ny 86 tapitrisa dolara io. “Manana olana amin’ny soram-piankohonana I Madagasikara, ary tsizarizary ny fitaovana eny Ivon-toerana momba ny soram-piankohanana izay misy manerana ny nosy, kanefa io soram-piankohonana io no miantoka ny fisitrahan’ny olom-pirenena tsirairay ny zony: fianarana, asa, fifidianana,…”, hoy ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin. Izay ny antony nametrahan’ny Fanjakana ny tetikasa PRODIGY izay ny Banky Iraisam-pirenena no manampy amin’izany. Hahazo ny anjarany ny faritra 23 manerana ny Nosy, notolorana fitaovana ireo solontenam-panjakana, efa mandeha ny tetikasa, efa mandeha ny fandalinana, mijery ny toerana, ny fametrahana ny rafitra hanaovana azy,.. “Misy ny faritra miisa 7 atao fitaratra na “pilotes”, ahitana kaominina 170 hanombohana azy,… 1,5 tapitrisa ny olona kendrena voalohany, miakatra tsikelikely, ka ao anatin’ny 2 taona sy telo volana eo dia Malagasy 5 tapitrisa no ho vita”, hoy kosa ny Rtoa Stephanie Delmotte mpandrindra ny tetikasa PRODIGY. Misy ny fampitaovana teknika ara-teknolojika, ny angovo, herinanaratra, ny tambazotran-tserasera,.. ary tsy ny kaominina sy fokontany ihany fa hojerena hatrany amin’ny CSB satria misy teraka any, ny tribonaly ambaratonga voalohany. Miara-misalahy amin’io noho izany ny minisitera maromaro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap