nanaovana tomban’ezaka antsasa-dàlana mikasika ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana izay nanomboka ny 01 oktobra sy nihainoana ary nandraisana ny soso-kevitry ny mpisehatra satria ny andininy faha-39 amin’ny lalàna mifehy ny CENI no mamaritra fa iarahany amin’ireo mpikarotra ny raharaham-pifidianana, hoy ny Filohany Atoa Dama Arsène. Araka ny tatitra omaly 29 novambra, 5 071 688 ireo ho mpifidy voarakitra anaty lisitry ny mpifidy raha toa ka 1 137 929 izany ny 28 oktobra 2022 lasa teo. 13 593 006 ny tanjona ho tafiditra ao anaty lisi-pifidianana, ka ny 37,31% amin’izany no tratra nanomboka ny 01 oktobra. Ny faran’ny volana desambra 2022 ity moa no hifarana vonjimaika ity fanaovaozana ity. Raha ho an’ny faritra Analamanga manokana, tanjona ny hanoratra anarana mpifidy 2 624 247 dia 1 107 625 no voalaza fa efa nisoratra anarana, manome taha 42,37% mitaha amin’ny tanjona napetraka. Ny Distrikan’Iakora no mitana ny lohalaharana amin’ny fisoratan’ny mpifidy ao anaty lisitra satria efa 74,30% mitaha amin’ny tanjona napetraka, Faharoa I Kandreho 69,92%. Ambalavao 62,50%; Midongy Atsimo 61,95%; Ambatomainty 58,78%. Ho an’ireo dimy farany kosa, dia Marolambo 5,07%; Amboasary Atsimo 10,17%; Beloha Androy 10,73%; Ambovombe Androy 13,29%; Betioky Atsimo 13,30%. Ny fahatongavan’ny taratasy fisoratana anarana teny amin’ny mpifidy no voalaza fa isan’ny antony satria nisy ny 01-15 oktobra, nisy ny 16-31 oktobra,… Betsaka no tsy tratra an-trano, ary miala mihitsy amin’ny toeram-ponenany noho ny asa sy famokarana. Tia miandry farany ny olona, mavitrika kokoa ny any ambanivohitra, ary misalasala ny ambonivohitra. Paikady kasaina hapetraka ny fanisana mpianatra eny amin'ny Cité Universitaire, Fanisana mpiasa tsy mipetraka amin'ny toeram-ponenana, olona eny amin'ny Akany, Voafonja tsy mbola very ao. Alefa any amin'ny CLRE tokony hiandraikitra azy, ary ireo no hanamarina. Nilaza ny CENI fa manamafy “déboulonnage” miainga eny amin’ny distrika ary mipaka amin’ny nasionaly. Mikasa hanao fanamarihana avy amin'ny SMS sy internet, mampanantena fa ho azo tsirihana izany. Niantso hatrany ny fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra, indrindra ny amin’ny fanentanana ny olompirenena sy ny fanaraha-maso ny asa Fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny Rejisi-pifidianana nasionaly moa ny Filohan’ny CENI, DAMA Arsène. Nanamafy fa misokatra amin’ny resaka fitsirihana na “audit” ny rindram-baiko na logiciel an’ny CENI, afaka mandinika sy mitondra fanatsarana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby