airtel

Politique

14-juin-2023

Politique

Fanavaozana ny lisi-pifidianana 45,3 miliara ariary izao no lanin’ny CENI

Sample post image

Araka ny tatitry ny CENI omaly, nahatratra 45 349 746 000Ar ny vola lany tamin’ny fanaovazana manontolo ny lisi-pifidianana.

14-juin-2023

Ny taona 2022, dia 25 263 056 000Ar no tao anaty tetibola. Ho an’ny 2023 dia nizara roa ka 11 351 290 000Ar tamin’ny tetibola voalohany fa avy eo mbola nisy tetibola fanampiny 8 735 400 000 Ar, izany 20 086 690 000Ar. Ireo no nahafahana nahazo ny vokatra tamin’ny fanavaozana ny lisi-pifisianana satria voalaza fa nohavaozina tanteraka ny fitaovam-piasana toy ny solosaina, nandoavana ny karama sy tambin-karaman’ny mpanisa mpifidy, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo. Raha ny fitadidiana azy dia io manodidina ny 45 miliara Ar io no voafaritra tao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Raha ny tombana ara-bola sy fangatahana nataon’ny CENI tamin’ny mpiara-miombon’antoka dia voalaza fa 143 miliara Ar eo, ny taratasy nifanaovan’ny governemanta sy Vondrona Eoropeanina dia 70 miliara Ar, ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana tsy havaozina,… Eo anatrehan’io tsy hisian’ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFR amin’ity io, nilaza ny Filohan’ny CENI fa mazava ny fanambaran’ny Praiminisitra hoe: misy ny fombafomba azo atao raha misy andrim-panjakana na rafi-panjakana ka voaporofo fa manana filana amin’ny fanatanterahana ny asa izay atao. Tsy ny LFR ihany no lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana fa misy ny LFI, misy ny didim-panjakana hamoahana vola. Hitosaka ve ny vola taorian’ny nilazan’ny Frantsay fa hanohana ara-bola ny fifidianana? Niantso ny rehetra tsy hanana ahiahy moa ny Filohan’ny CENI, ka nilaza fa mino ny hitazonan’ny Fanjakana ny resaka nifanaovana tamin’ny CENI. Nanamafy fa efa misy ny adihevitra na fifanatonana eo aminy sy ny Fanjakana, eo aminy sy ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Ara-politika, nilaza ny Filohan’ny CENI raha nanontanian’ny mpanao gazety omaly manoloana ny fanambaran’ny antoko politika 5 (HVM, MMM, MTS, MFM, Ampela Manao Politika) izay nilaza fa mandika lalàna ny CENI amin’ny fanitarana aorian’ny 10 jona ny fanaovazana ny lisi-pifidianana, fa tsy mitombina izany fa manaraka ny pitsopitsony araka ny lalàna izy ireo, ary ny tokony ho zava-dehibe ny fahafahan’ny olom-pirenena miditra anaty lisitra sy misitraka ny zony. Aleo mifampiresaka sy mifanantona fa tsy ahitana fahombiazana ny fanakianana be fahatany, hoy ny Filohan’ny CENI. Raha miverina kely amin’ilay vokatry ny fanaovazana tanteraka ny lisi-pifidianana, dia latsaka i Antananarivo. Fifandrifian-javatra ihany ve eo anatrehan’ny fisiana mpanao politika matanjaka mety ho kandida matanjaka avy amin’ireo faritany roa ireo sa ny olona tokoa no tsy mazoto misoratra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap