airtel

Politique

20-sept-2021

Politique

Fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” Angaha tsy hoe hifandimby ao ireo minisitra ?

Sample post image

Fandaharana iray isaky ny zoma tolakandro ny tsy ho tompon-trano mihono ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM,

20-sept-2021

 ary raisin’ireo tsy miankina mpomba ny fitondrana. Saika ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina hatrany no nahazo laka tao anatin’io hatramin’izay ka hatramin’izao. Natao hiresahana sy hanazavana ny raharaham-panjakana samihafa. Tany am-boalohany, nambara fa hifandimby ao ny Minisitra samihafa mpikambana ao amin’ny governemanta fa tsy hoe: Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy samirery. Tsy izay no miseho, fa toa zary olona iray hatrany no miresaka ao, ary indraindray aza lasa natao handokafana sy hampalazana ny tenany manokana, ankoatra ilay fanadiovan-tena niresahany ny raharaha mahakasika azy. Ny zoma lasa teo izao tsy nisy ny fandaharana rehefa tsy niteny Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy hoe: nisy minisitra hafa ao anatin’ny governemanta niaka-tsehatra. Tsy misy azo ambara mihitsy ve ny minisitra hafa mpikambana ao amin’ny governemanta no olona iray hatrany no mahazo laka sy homena sehatra ao? Sa kosa misy antony manokana tsy ahafahana miakatra ao? Ekena fa misy vaovaom-panjakana sy ireo departemantam-panjakana maro samihafa ao amin’ny TVM sy RNM, saingy miharihary sy tsy takona hafenina ihany koa ny fibahanan-toerana ataon’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay mazava fa amin’ny maha mpinisitra mpiahy ny haino aman-jerim-panjakana angamba. Mibahan-toerana ao ny vaovao momba ny voalaza fa zavatra ataon’ity minisitra ity na ny antokony rehefa misy an’izay. Toy ny hoe: fananana minisitera na minisitra iray ny TVM sy RNM indraindray ka mety izany ihany koa no isan’ny mahasadaikatra ireo mpikamban’ny governemanta sasany. Raha mpanohitra dia mety lojika noho ny fifanenjehana ara-politika, ary takian’izy ny hahafahany miteny amin’ny TVM sy RNM fa tany aloha, dia efa nisy ny hoe: olom-boafidy amin’ny lokon’ny fitondrana toa voasakana na tratry ny “censure” tsy ho afaka hiseho ao amin’ny TVM. Asa manao ahoana izany amin’izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap