airtel

Politique

19-avril-2024

Fandinkan-dalàna sy fanjakazakana…

Minisitra lasa kandida mitety sekoly mizara fananam-panjakana

Sample post image

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

19-avril-2024

Sahondrarimalala sy ny solombavambahoakan'ny Fianarantsoa A/toa Seth Rajoelina sy ireo mpiara miasa aminy. Androany dia sekoly miisa 6 no notsidihana : CEG Ambatovory, CEG Andreambosary, EPP Andreambosary, EPP Ambalandapa, CEG Randria Michel Joseph (Antsaharoa ), EPP Razanaka Albert. Tao ny notolorana tablette,maillot sy baolina. Tao ihany koa ny notolorana tafo fanitso, aron'akanjo sy kapa ary dabilio. Tanjona hatrany ny hanatsarana ny lafiny fanabeazana eto Madagasikara », hoy ny seraseran’ny DREN Matsiatra Ambony omaly tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Mampametra-panontaniana avy hatrany hoe : azy manokana sa an’ny Fanjakana ireo zavatra zarainy fa raha ny fahalalana azy dia fananam-panjakana satria tetikasan’ny Minisitera niantsorohany teo aloha ? Amin’ny maha inona azy moa izany no ahafahany mizara an’ireo satria dia ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha mihitsy no mizara sy miara-maka sary amin’ny mpianatra sy mpanabe ? Ny tenany izay efa nametra-pialana ary misy ny didim-panjakana 2024-959 manafoana ny fanendrena azy tsy ho minisitra noho izy kandida depiote. Fananam-panjakana sy fitaovam-panjakana ireto zaraina ireto, ary kandida amin’ny fifidianana depiote no miditra an-tsehatra mizara izany mialokaloka aorian’ilay depiote am-perin’asa iray lisitra amin’ny fifidianana ho avy. Tsy resaka tsy fitiavan’olona na finiavana hitsikera be fahatany, fa ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no manamafy ny tsy tokony hitanilan’ny faampianarana, fitsarana, tafika,… amin’ny politika ary iantohan’ny Fanjakana izany tsy fitanilana izany. Vao hoe: handeha ny fifidianana depiote dia nampitandrina mafy ny Filohan’ny HCC fa tsy hitsitsy an’ireo minia mampiasa ny fahefam-panjakana, mampiasa ny fitaovam-panjakana, mandika lalàna,… amin’izao fifidianana izao fa hikapoka mafy. Mpahay lalàna ihany koa ny Minisitry ny fanabeazana ka asa na minia mikipy na tena misy venti-kevitra lehibe hoentiny handisoana ny tsikera ka hilazany fa tena mety ny ataony na sanatria tena araka ilay hoe: izahay aloha izao no eto dia izay tianay io? Aiza ny etika sy fanajana lalàna? Dia asa indray izay ho fanazana sy fandraisan’andraikitra eo anatrehan’itony, fa ny fijerena fotsiny an’izao dia toa manamarina fa tsy maty manota sy afaka manao izay tiany atao ny kandidam-panjakana, ary mety efa hampandresena ambony latabatra raha toa ka jerem-potsiny.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap