airtel

Politique

13-déc-2022

Politique

Fandraisana anjara amin’ny fifidianana Nampahafantarina omaly ilay tetikasa « Andao hifidy »

Sample post image

Mbola ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena feno taona amin’ny fifidianana eto Madagasikara.

13-déc-2022

Na dia efa manao izay mety aza ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI hoy ny filohany Atoa Dama Andrianarisedo omaly dia tokony hiezaka hanatona ihany koa ny vahoaka. Anisan’ireny ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana vaovao izay efa ao anatin’ny fanavaozana tanteraka isika ho an’ireo feno 18 taona rehetra, ny fikarakarana ny karapanondrom-pirenena izay misy operation mandehandeha mihitsy amin’izao fotoana ho an’ireo mbola tsy manana izany….Izany indrindra no antom-pisian’ilay tetikasa Andao hifidy izay nampahafantarina teny amin’ny Radisson Blu Ambodivoina omaly. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hahafahana mampitombo ny isan’ireo olom-pirenena mandray anjara amin’ny fifidianana karakarain’ny EISA, tohanan’ny USAID. Tanterahina ao anatin’io tetikasa io ny fampahafantarana ny vahoaka ireo fihetsika tokony hatao ao anatin’ny biraom-pifidianana. Toraka izany koa ireo karazana antontan-taratasy tokony entiny ary farany izay tsy kely akory dia ny fandatsahany vato iray ho ana kandida iray tsy misy teritery fa tena vokatry ny safidy. Tonga nanatrika sy nanome vononahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny nahitana solombavambahoaka, filohana fikambanana…Toraka izany koa ireo fiaraha-monim-pirenena izay miezaka miara-miasa amin’ny EISA sy ny CENI amin’ny fanatanterahana izany mba ho fifidianana marina sy mangaraharaha avy amin’ny safidim-pon’ny rehetra tokoa no hisy eto amintsika.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa « Andao hifidy » teny amin’ny Radisson Blu Ambodivoina omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap