Tsy tokony hisy intsony, noho izany, hoy ny mpampakan-tenin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, Soava Andriamarotafika, izay propagandy izay. Tsy tokony hisy famoriam-bahoaka intsony, hoy izy. Toy izany koa ny fanentanana anaty haino aman-jery, ny fametahana peta-drindrina, rehefa mety ho endrika fampielezankevitra. Tonga ny amin’ny 6 ora maraina ny 29 may dia hanokatra ny birao fandatsaham-bato ny mpikambana anatin’izany birao izany izay ahitana ny filoha, ny mpitan-tsoratra, ny «assesseur» na mpanara-maso mpanampy. Tokony hisy mponina efa eo. Tokony hisy solontenan’ny kandida efa eo. Ireo olona ireo no vavolombelona anehoana hoe ireto no fitaovana ho entintsika miatrika ny fanatanterahana fifidianana. Iaraha-mahita eo ny hoe mbola tsy nisy nikitika ny fonosan’ny biletam-pifidianana. Toy izany koa ny fitaovana ho ampiasaina hafa rehetra. Mila mandraikitra an-tsoratra ny zava-mitranga mandra-paharivan’ny andro ny rehetra. Miankina amin’ny fifanarahan’ny mpikambana rehetra anatin’io biraom-pandatsaham-bato io kosa nefa ny hoe tranga toy izao kosa ve dia tsy famenoana pejy fotsiny? Sao dia tsy voatery ho soratana ity na koa hoe ity kosa tsy maintsy soratana sy ny toy izany rehetra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby