airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Fanehoan-kevitra an-dalam-be Tena mila fandinihana sy fanamboarana ny lalàna

Sample post image

Adihevitra tsy vita ny resaka fahalalahana maneho hevitra sy mamory olona, ary ny zo hidina an-dalambe eto Madagasikara. Nanamarika izany ny toe-draharaha roa samihafa ny faran’ny herinandro teo.

13-déc-2021

Teo ny fidinana an-dalambe nataon’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny olom-pirenena teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny zoma teo, ary ny omaly dia ny fankalazana ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Marc Ravalomanana tany Toliara. Lalaovina amin’izay hitiavana azy ny lalàna, ary miankina amin’ny tombotsoa politikan’ny Fanjakana no hampiharana azy na tsia. Hanakiana Fanjakana an-dalam-be tokoa moa ve ianao dia hanome alalana anao ilay Fanjakana? Tena misy lalàna tokony hahitsy eto fa tsy mety kosa. Fampahafantarana, ohatra, no tokony ataon’ilay mpikarakaraka hetsika dia izy kosa tompon’antoka amin'ny resaka filaminana miaraka am fanjakana. Azo faritana hoe tahaka ny ahoana sy ahoana ny andraikitry ny andaniny sy ny ankilany. Tena tsy mety eto amintsika io lalàna sy zavatra atao ankehitriny io satria lasa manao izay danin’ny kibony tsy azo atao na inona na inona ilay fahefam-panjakana. Iny ilay mitarika korontana sy sakoroka ny farany satria leo ny olona satria na Fanjakana efa hita fa manao ny tsy mety izao dia mialokaloka amin’ny lalàna sy ny fahefana, ary indrindra mampiasa hery hamoritra vahoaka. Na zavatra voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana aza rehefa tiana hodikaina sy tsy horaharahiana dia vitavita ho azy eny. Misy karazana fehezanteny manjavozavo sy ady an-kafetsena, mbola miampy hoe: faritan'ny lalàna ny fampiharana azy, dia any no milalao ny mpitondra. Amboariny ny lalàna fa ataony amin’izay tsy maha very azy, avy eo mbola misy resaka didy fampiharana indray vao mihatra. Mila jerena io lafin-javatra momba ny fahalalahana maneho hevitra sy hidina an-dalambe io, raha tena misy ny finiavana politika. Mivadika ho arofanina ho an’ny mpitondra ahafahany mihaino sy mahalala ny zavatra andrasana sy takian’ny olona ny fahafahana maneho hevitra, fa matoa ny mpitondra matahotra dia mahatsiaro ho nanao ratsy, ka ny masaka an-tsaina dia ny hoe: sao dia hoo voahongana? Ny zavatra toy izany no tokony hamolavolana lalàna eny antenimiera, fa tsy resaka fanalalahana ny fanalan-jaza, ohatra, no hihazakazahana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap