airtel

Politique

17-juin-2021

Politique

Fanehoan-kevitra politika Nosamborina i Beari Nirina Marcelin

Sample post image

Nosamborin’ny zandary nanao fanamiana sivily teny amin’ny Moske 67ha omaly ny mpanao politika Beari Nirina Marcelin,

17-juin-2021

 

 

 raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Nivavaka tao amin’ny Moske 67Ha atsimo, ary rehefa nivoaka avy ao, dia nisy zandary roa nibeda azy tamin’ny andaniny roa, ary roalahy nanosika azy avy aoriana. Efa nisy fiara “express” niandry, hoy ny fanazavana. Voalaza fa voatazona ao amin’ny Toby Ratsimandrava ity politisianina ity. Fanehoan-kevitra ara-politika no heverin’ireo manodidina azy fa anton’ny fisamborana. Tsiahivina fa nisy ny fanambarana nataony tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny 25 mey lasa teo, niantso fidinanana an-dalambe. Mbola vahiny tamina fahitalavitra tsy miankina izy taorian’io, ary nitondra fanehoan-kevitra mavaivay namelively Fitondrana. Asa raha misy ifandraisany amin’ny fanehoan-keviny tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny zanaky ny Filoham-pirenena ihany koa ?

 Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap