airtel

Politique

15-janv-2024

Fanendrena governemanta

Nakisaka ny olon’ny 2009, tsy dia tazana ry UPAR…

Sample post image

Ara-politika, nisy tamin’ireo olon’ny volomboasary nanamarika an-dRajoelina hatrany

15-janv-2024

amin’ny tetezamita no tsy tafaverina, dia ny Minisitry ny fanajariana ny tany Atoa Pierre Houlder sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla. Tsy tafaverina amin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny Asa tànana Rtoa Sophie Ratsiraka, zanaka vavimatoan’ny Filoha teo aloha efa nodimandry Amiraly Didier Ratsiraka. Tsy nisy tafiditra tao anatin’ny governemanta ihany koa ireo kandida Filoham-pirenena, na teo aza ny resaka nandeha fa mety hisy roa handrafitra ny governemanta. Raha nandeha ny tombatombana amin’ny mety hametrahana Praiminisitra lefitra miisa 3 mifandraika amin’ireo andry 3 nambaran’i Andry Rajoelina fa hiankinan’ny laharam-pahamehana (Sosialim-bahoaka sy ny ady amin’ny fahantrana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana) dia fananganana Sekretariam-panjakana amin’ireo no toa làlana hizorana. Tsy anisan’ireo tazana ao anatin’ny governemanta ihany koa ireo mpanao politika avy amin’ny vovonana nanohana an-dRajoelina toy ny UPAR (Union Pro Andry Rajoelina) toa an-dry Paul Rabary, Rina Andriamandavy V, fa ny Filohan’ny Freedom izay efa minisitra tao ihany no tafaverina, fa nafindra any amin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika. Betsaka tamin’ireny no nisafidy an-dRajoelina noho ny vola, ny herijkika ho lany noho ny volomboasary mbola teo amin’ny fifehezana ny rafitra samihafa sy ny fitantanan-draharaham-panjakana,… Na ireo anarana nalaza ho Praiminisitra toa an-dry Jeneraly Camille Vital, Fienena Richard,… aza tsy tafiditra. Mirona kokoa amin’ny hoe : governemanta teknisianina ve ? Toa maneho fa tsy manana olona tena resy lahatra ara-politika niaraka taminy hatrizay i Andry Rajoelina fa efa tonga eo vao mitady ekipa ankoatra ny famadibadihana ny efa tonta ? Sa io no manamarina fa mety ho vonjimaika ihany fa afaka enim-bolana dia mety hisy fiovana ? Sa misy toerana hametrahana hametrahana ireo mpanao politika niova toerana ? Mety hisy hatao sekreteram-panjakana na koa halefa ambasadaoro ? Ny Fitondrana Rajoelina izay tsiahivina fa tsy nahatendry afatsy ambasadaoro miisa 5 tao anatin’ny 5 taona izay mariky ny faharefoan’ny diplaomasia fa eo ihany koa ny tsy fananam-bola. Sa kosa halefa ho kandida amin’ireo fifidianana mbola ho avy ireo tsy tafiditra tao anatin’ny sambo fiaran’ny governemanta ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap