airtel

Politique

04-nov-2021

Politique

Fanendrena «Governora » tsy ara-dalàna Lasa fitaovana politikan’ny fitondrana ny HCC

Sample post image

Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana saingy ninian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nankatoavina ny « Governora ».

04-nov-2021

 Mandeha ny tsikera, fa zary lasa fitaovan’ny fitondrana io andrim-panjakana io amin’izao fotoana izao. Tany amin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahatany moa no tena nanjakan’io teny hoe : “governora” na “Ragôva”, izay nosokajiana ho manam-pahefana lozan-tany fahizay. Tsy misy ao anatin’ny làlampanorenana nolaniana tamin’ny karinem-pokontany tamin’ny 2010 ny hoe : « Governora », ary ny lalàna rehetra hapetraka mikasika ny fanendrena azy ireo sy ny andraikiny, dia azo sokajiana ho tsy ara-dalàna sy tena manitsakitsaka ny lalàmpanorenana hatreto, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-154 no mamaritra, « Lehiben’ny faritra » na « Chef de Région » no iantsoana ny tompon’andraikitra ara-panjakana voalohany miadidy ny faritra ; fidiana amin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny daholobe anjara ; miandraikitra ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ; Lehiben’ny fitantanandraharaham-panjakana ao amin’ny faritra iadidiany ». Ny lalàna momba ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahenafa na CTD (Collectivité Territoriale Décentralisée), dia maneho fa ny fitantanana ny Faritra dia iantsorohan’ny Lehiben’ny faritra, hoy ny fanamafisana. Ny zava-misy ankehitriny, dia tokony ho tsy manan-kery « actes » rehetra ataon’ny governora, hoy ny mpahay lalàna. Ny HCC dia natao ho “mpiaro ny lalàmpanorenana” na “Gardien de la Constitution”, ary isan’ny asany ny fitsirihana ny maha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpanatanteraka, ary eo ihany koa ny lalàna samihafa tokony hampiharina eto amin’ny firenena. Voasokajy ho tsy mifanaraka amin’ny etika amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana io noho izany. Tsy isan’ireo mandalo eo ambany mason’ireo rafitra mpanara-maso ny mpanatanteraka, ka mitarika any amin’ny faholovan’ny fangaraharana amin’ny fitantanana ara-bolan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, voafaritry ny lalàna 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014. Voatsikera mafy ho mitaza-potsiny ny HCC, ka mandeha ny fitakiana amin’ny fampiharana ny fehin-kevitry ny fikaonan-dohan’ny mpanohitra ny 23-24 jolay 2021 momba ny raharaham-pirenena, ka nanipika ao amin’ny andininy faha-3 ny hanafoanana ny HCC satria tena tsy mifanaraka amin’ny fampanajana ny lalàmpanorenana ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap