airtel

Politique

20-déc-2023

Fanendrena Praiminisitra

Ho sarotra ny fandidiana !

Sample post image

Dingana manaraka ho an’i Andry Rajoelina taorian’ny fianianany ny 16 desambra teo

20-déc-2023

izay nametrahana ofisialy ho filoham-pirenena ny fanendrena ny Praiminisitra sy ny governemanta hiaraka hiasa aminy ao anatin’izao taom-piasana faharoa izao. Ny andron’ny fihanianana no tokony ho nametra-pialana ny governemanta saingy tsy nisy an’izay ? Hanao ahoana ny ho endriny sy ny fisehoany ? Mbola ho voatazona ve ny Praiminisitra Ntsay Christian izay efa nanomboka ny jona 2018 taorian’ny tolona notarihin’ny depiote 73 nampiongana ny Praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier no nitondra ny baolina tao Mahazoarivo ? Sarotsarotra ny fandidiana sy ny adivarotra politika ? Raha ny sary nitranga tao anatin’ny herintaona, efa tratry ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian ny desambra 2022, saingy natsefotra teny an-dàlana, ary ny Filoha ankehitriny mihitsy no voalaza fa niditra an-tsehatra. Ny Praiminisitra no nomen’ny HCC ny fahefana hitantana ny firenena taorian’ny fahabangan’ny Filoham-pirenena, saingy nihazakazahana ihany avy eo ny nanendry Filoham-panjakana nametrahana ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Midika ve fa tsy dia natokisana firy intsony ny Praiminisitra ankehitriny ? Nisy ny endrika krizin’andrim-panjakana satria na ny fihaonan’ny governemanta sy ny depiote aza tsy nisy tanteraka tamin’ny ankampobeny, ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana 2023 tsy nisy, ny fanaovana tatitra tamin’ny fivoriana ara-potoana teo tsy nisy,… Ny andininy 54 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa ny Vondrona parlemantera manana ny maro an’isa etsy Tsimbazaza no manolotra ny anaran’izay ho Praiminisitra ka mbola ho anisany ve Atoa Ntsay Christian ? Hikipiana ve ny fahefan’ny avy etsy Tsimbazaza sa hirotsaka ny toromarika avy amin’ny mpanatanteraka amin’ny hanolorana ny anaran’ny Praiminisitra raha mbola hanohy ny fiarahana ny Praiminisitra ankehitriny sy ny Filoha voafidy ? Sa mety hisy ny fandravana ny antenimierampirenena izay fahefan’ny filoham-pirenena ? Ny andininy faha-60 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra an’io, ka raha miditra amin’ny fandravana ny antenimierampirenena ny filohan’ny repoblika dia tanterahina 60 andro raha kely indrindra ary 80 andro raha be indrindra aorian’izay ny fifidianana vaovao.
SAROTRA NY FANDIDIANA
Betsaka no manombana fa mbola mety ho voatazona amin’ny toerany ny tenany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Maro ihany koa anefa no maneho fa mety ho sarotra ho azy no ho tafatajanona amin’ny toerany eo anatrehan’ny zava-misy ara-politika. Efa mandeha ihany koa ny tombatombana samihafa, ary efa mandeha hatramin’ny resaka fa mety ho vehivavy ny Praiminisitra manaraka eo. Iny efa nanao karazana pimaso amin’ny fisokafana iny i Andry Rajoelina ny 16 desambra teo, izay maro no mandika izany fa hisy ny governemantan’ny fisokafana, kanefa ny ao anatin’ny volomboasary ihany koa efa betsaka no mibotsimbotsina ho namono ny voay. Betsaka ny tombatombana mandeha ary mandeha ny karazana « lobbying » samihafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap