airtel

Politique

20-août-2021

Politique

Fanendrena tsy voadinika 3 andro monja no minisitra i Brice Randrianasolo

Sample post image

Nametra-pialana tsy ho minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ny Minisitra Brice Randrianasolo, 3 andro monja taorian’ny fanendrena azy,

20-août-2021

 ary nanatitra ny taratasy famatreham-pialany teny Ambohitsorohitra omaly. “Taorian’ny fanendrena ahy ho Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika ny 15 aogositra dia niaraha-nahita ireo fanaratsiana niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera momba ahy. Hatramin’izay aho tsy niteny, kanefa noho ny fiodinan’ny raharaha misy, ny fiovan’ny tantara, dia naika hitondra teny fanazavana ny tenako. Eny Tompoko, Marina fa nisy tokoa ny raharaham-pitsarana momba ny tenako tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo tamin’ny 2018, fa kosa ny zavatra adinon’ireo mpilaza sy manaparitaka eny amin’ny tambajotra dia efa afaka madiodio ny tenako tamin’izany fitsarana izany. Noho ny fitadiavana ny filaminana eto amin’ny firenena anefa, dia tiako ny mampahafantatra fa manomboka anio19 aogositra 2021 dia tsy minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena intsony ny tenako, avy nametraka ny taratasy fametraham-pialako aho”, hoy Atoa Brice Randrianasolo. Naneho kosa izy fa ny fandraisany andraikitra hitondra ilay programa harena an-kibon’ny tany ho an’ny Malagasy isam-paritra mitondra ny anarana hoe: “Faneva Lovain-jafy” miaraka amin’ny governemanta no mitsahatra fa noho izy namorona io programa io dia naneho fa mbola vonona hatrany araka ny nolazainy tamin’ny filoha fa hanatanteraka izany eto an-tanindrazana fa amin’ny sehatra hafa. “Mafy dia mafy tokoa ny fandraisako izay fanapahan-kevitra izay, saingy izay no mety indrindra ho an’ny tombotsoan’ny firenena. Ny tenako tsy nieritreritra mihitsy ny ho lasa minisitra, ary tanjona velively ny ho lasa minisitra, fa kosa noheveriko ho dingana anankiray ahafahako mitondra ny anjara birikiko ho an’ny tanindrazany. Marina fa tsy nananam-potoana nentiko hitondrana ny anjara birikiko amin’ny tanindrazana saingy mino aho, any andro any taona, ny mbola ahafahan’I Madagasikara mahafantatra sy misitraka ny harena an-kibon’ny tany araky ny programa noketrehiko an-taonany maro. Ny fotoana maha minisitra dia mandalo ihany, misy fiantombohany dia misy fiafarany, fa ny tenako izany dia indrisy, fa 3 andro monja, fohy dia fohy kanefa fotoana nahafahako nahafantatra zavatra be dia be, ary nahafahako nahafantatra ny tenako”.


Rehefa halalinina, tsy maintsy nasaina niala ity minisitra ity satria hafahafa be raha hoe minisitra iray nesorina sady mandika lalàna satria fanendrena niaraka tamina didim-panjakana iray ny an’ireo minisitra 32. Karazan’ny natosika hametra-pialana izany ity Minisitra ity. Raha hiverenana, resaka fisolokiana nisy resa-bola 250 000 euros no nifoha. Nilaza ho nametraka fitoriana fiandry miaraka amin’ny mpisolovavany eo anatrehan’ny fanapariahana ny zavatra heveriny fa diso sy fanosoram-potaka azy i Brice Randrianasolo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap