airtel

Politique

09-oct-2023

Fanenjehana ny mpanao gazety

Namoahana didy fampisamborana i Fernand Cello

Sample post image

Namoahana didy fampisamborana tamin’ny alalan’ny sampana mpanadihady momba ny heloka bevava eo anivon’ny

09-oct-2023

zandarimariam-pirenena eto Antananarivo ny mpanao gazety, Avimana Fernand na Fernand Cello, raha nfampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Raha ny antony voasoratra moa dia hoe fitoriana efa nipetraka hatramin’ny 5 oktobra teo izany. Mbola nahavita nanazava tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook moa i Fernand Cello tamin’iny sabotsy iny hatrany fa efa 3 herinandro izay ny tenany no notadiavina. Notadiavina hamoronana dosie aho, hoy izy, satria efa nifonako ilay resaka HCC. Etsy ankilany dia mampametra-panontaniana ny tena anton’ity fanenjehana mpanao gazety indray ity. Vao tsy ampy herinandro akory izay no nampiady hevitra be ireo efa ela nietezana tao anatin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety ny fisamborana ireo voalaza fa nisandoka ho mpanao gazety tamina tambazotram-pifandraisana iray, izay tsikaritra ho efa nilomano tanaty fanaovan-gazety am-polo taona mahery kosa anefa izy ireo. Mipoitra indray ity raharaha Fernand Cello ity izao. Maro ireo fanontaniana manitikitika ny sain’ireo mpanara-baovao manoloana izany toy ny hoe aiza ny fampiharana ny tena lalàna mikasika ny fanaovan-gazety no avy hatrany dia fisamborana no kasaina ho hampiharana amina mpanao gazety iray? Aiza ny zo afaka hamaly na “droit de démenti”? Fa angaha moa mampigadra indray ny heloka an-gazety na “délit de presse?” sy ireo fanontaniana maro hafa tsy voatanisa fa dia manaraka akaiky sy miandry ny tohin’ity raharaha ity indray izany aloha ny mpanara-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap