airtel

Politique

11-oct-2021

Politique

Fangaharaharam-pitantanana Tsy nahitam-pivoarana azo tsapain-tanana i Madagasikara

Sample post image

Tsy nahitam-pivoarana azo tsapaina, raha ny resaka fangaraharaham-pitantanana Malagasy, no lazaina. Io no vokatry ny fanadihadiana nataon’ny departemantam-panjakana Amerikanina

11-oct-2021

 mikasika ny fipetraky ny atao hoe fangaraharaham-pitantanam-bola aty Afrika nivoaka ny faran’ny herinandro teo. firenena miisa 53 no nanaovana fanadihadiana ka ny 16 amin’ireo ihany no azo lazaina ho misy izay fangaraharahana mahafa-po izay ka isan’izany i Afrika atsimo, Botswana, Burkina faso. Miisa 12 kosa ireo nahitam-pivoarana toa an’I Alzeria sy Angola ary I Benin. Tsy nahitam-pivoarana kosa, araka izany, ireo 25 ambiny toa an’I Madagasikara, Centre Afrique sy Kaomoro ary Kongo, raha ity fanadihadiana ity hatrany. Manana ny anjara toerany amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fifanakalozana ary ny mety ho fiarahamiasa amin’ny ho avy ny tatitra tahaka itony. Tsara ho marihana fa fanampiana avy any ivelany no mandrafitra ny 75% n’ny tetibolam-panjakana ho an’ny firenena Malagasy, izay aloha ny zavamisy hatreto .Firenena tena mbola miankin-doha amin’nyfanampiana avy any ivelany i Madagasikara ka hatramin’ny vary foto-tsakafo aza dia misy ampahany hafarana avy any ivelany, tahaka izany ihany oa ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro to any menaka, sira, siramamy, labozia.Mila ezaka .
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap