airtel

Politique

25-juil-2023

Politique

Fangatahana fanazavana nataon’ny loholona MMM

Sample post image

Nosakanan’ny filohan’ny Antenimierandoholona

25-juil-2023

Tohin’ny savorovoro sy korontana nandritry ny fanadinana bakalorea ny herinandro lasa teo, nosakanana sy notsindrian’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny taratasy nalefan’ny loholon’i Madagasikara, Rakotondrainibe Michel, filohan’ny kaomisionina sosialy, kolontsaina sy serasera eo anivon’ity andrim-panjakana ity, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM, izay nahalany ity farany. Anton’izany, raha ny fampitam-baovao voaray, dia noho ny efa fanaovan’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona serasera momba ity raharaha ity. Tranga izay mampametra-panontaniana ny hoe ny hanao serasera ve no mahamaika ireo mpiaradia amin’ny mpitondra sa ny fanarenana ny hoavin’ny zaza Malagasy izay potika tanteraka ankehitriny? Tsiahivina, nandefa taratasy fangatahana fihaonana tamin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny zoma teo ity loholon’i Madagasikara lany tamin’ny antoko MMM ity. Nangataka fanazavana amin’ity tomponandraikitra ity saingy izao nosakanana amin’ny fomba hafa izao izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap