airtel

Politique

12-juil-2021

Politique

Fangatahana ireo rambon-tany atsimo Tafiditra ao anatiny ireo nosy manodidina

Sample post image

Efa nisy ny fangatahana nataon’I Madagasikara tany amin’ny firenena mikambana mikasika ny tokony hahazoantsika ireo rambon-tany atsimo na “plaque continentale Sud”,

12-juil-2021

 hoy ny fampahatsiahivana nandritry ny lanonam-pamaranana ny faha 45 taonan’ny OMNIS tetsy Analakely ny sabotsy teo. Rehefa nandeha ny dingana dia fantatra fa misy tsy ampy ihany ny dosieantsika momba izany, hoy ny tale jeneralin’ity sampan-draharaha misahana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy loharano stratejika ity, Nantenaina Rasolonirina. Fantatra taorian’izay fa misy antotan-kevitra tekinika takiana, hoy izy. Nitady fiaraha-miasa isika noho izany mba hahafahana manao ilay izy satria volabe no takiana ao anatiny. Misy amin’izao fotoana izao ny fandinihana izany hahatongavana any amin’ny fikirakirana ireo atontan-kevitra ataon’ireo tekinisianina Malagasy. Rehefa vita ny fikirakirana dia miroso amin’ny fanampiana ireo atontan-taratasy ahafahana miroso amin’ilay fangatahana. Mbola manana fotoana isika ahafahana manatontosa izay fikirakirana atontan-kevitra izay. Betsaka ireo harena tokony ho azontsika ao anatin’izany raha ny henontsika tao anatin’izay 3 andro nanamarihana ny faha 45 taonan’ny OMNIS izay toy ny resaka harena an-kibon’ny tany, ny solika, ny harena an-dranomasina, ekolojika sy maro hafa satria tena midadasika io toerana voaresaka io. Tafiditra ao anatin'izany faritra na rambon-tany voalaza izany moa ireo nosy manodidina an’I Madagasikara, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Otrikafo, Elia Rabevahiny, izay isan’ny nandray anjara tao anaty adihevitra momba azy ity.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap