airtel

Politique

09-févr-2023

Politique

Fangatahana sy fitakiana ara-pifidianana Nihaona manokana tamin’ny CENI ny TIM

Sample post image

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny avy amin’ny Antoko TIM omaly 08 febroary. Noraisina tetsy Alarobia ireo solontenan’ny Antoko nahitana an’Atoa Rina Randriamasinoro,

09-févr-2023

Jean Claude Roger Rakotonirina, Julien Randriamorasata, ka naharitra adin’ny iray mahery kely ny fihaonana. Nanolotra soso-kevitra an-taratasy hitondrana ny zotram-pifidianana ity Antoko ity, ary nanamafy ny antso hisian’ny fifampiresahana hatrany. Heverinay fa mbola tsy tara raha izao no miresaka hanomanana fifidianana milamina sy andraisan’ny rehetra anjara, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Nisy ny taratasy manamarika ny fitakiana sy tolo-kevitra avy amin’ity antoko ity. Nomarihin’ny TIM fa nandeha ny fanavaozavana manontolo ny lisi-pifidianana, vao vita ny iray volana dia nampiantso ny CENI ary nametraka ilay hoe: “cadre de concertation” na dia tsy araka ny tokony ho izy aza, teo am-pisasahana mbola nampiantso mba nahafahan’ny rehetra naneho hevitra sy niteny na dia teo aza ny soso-kevitra tsy voaray, fa tamin’ny volana fahatelo tsy nisy intsony ny fifampiresahana fa efa tany amin’ny haino aman-jery vao mahita ny rehetra hoe: mitohy ny fanaovana fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Rehefa tapitra indray ilay fanavaozana, dia nilaza ny Filohan’ny CENI fa mila sokafana ny adihevitra mikasika ny tetiandrom-pfidianana satria samy lany fe-potoana iasana na ny ben’ny tanàna na ny Filoham-pirenena. Mitaky izahay, tsy ho adihevitra amin’ny tetiandrom-pifidianana ben’ny tanàna na Filoham-pirenena fotsiny fa ny zotram-pifdianana rehetra mihitsy izay tokony hatao amin’ity taona ity izay iarahan’ny rehetra manatanteraka, tsy sanatria handeha hanila foana ka ny CENI ihany no hikarakara azy izay mety hiteraka olana, hoy I Rina Randriamasinoro. Faharoa, nanao tolo-kevitra manokana momba ny lisi-pifidianana ny TIM, ka anisan’izany ny fitakiana ny fijerena sy fitsirihana manokana any amin’ny farany na “revision spéciale” mialohan’ny fifidianana. Mitaky ny fampanarahana fenitra iraisam-pirenena ihany koa ny TIM satria isika nanasonia ny satan’ny Vondrona Afrikanina sy ny SADC kanefa nahoana no tsy manaraka ny fenitra ny fifidianana eto? hoy izy ireo. Mitaky izahay, aza omanina irery ny fifidianana fa andao hiara-hanomana ny mpiantsehatra rehetra na ny antoko sy mpanao politika, firaisamonim-pirenena, fitondram-panjakana, CENI,… mba hisorohana ny olana rahampitso fa raha tsy mahazo mihitsy isika ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny fifidianana izay atao eo, ary raha mbola filoha ho lany amin’ny salan’isan’ny mpandray anjara vitsy no ho lany eo dia tsy hisy mihitsy ny fahamarinan-toerana. Raha sanatria mbola ho izany, dia ho hitantsika ny vokany fa na ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola aza tsy hahatoky sy tsy misy ho avy eto, hoy I Rina Randriamasinoro, izay naneho fa nahafinaritra ny fifampiresahana fa andrasana kosa ny tohiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

01-déc-2023

Taitra ny ankamaroan’ny mpanara-baovao omaly nahita ny sarin’ny zava-misy teny amin’ny HCC na Fitsarana avo

Card image cap
01-déc-2023

Nanamafy ny mpandrindra Nasionalin’ny HVM izay efa Filoham-panjakana teo aloha Atoa Rivo Rakotovao,

Card image cap
01-déc-2023

Nolazain’ny tambazotran-tserasera Twitter fa tao Paris, Frantsa, omaly 30 novambra 2023,

Card image cap
01-déc-2023

Mahitsy foana ny fomba fijerin’ny Kristianina manao politika,

Card image cap
01-déc-2023

Ambohipihaonan’ny Etamazoro politikan’ny mpanohitra ny omaly tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny

Card image cap
01-déc-2023

Nanamafy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa tsy hanaiky mihitsy izay voka-pifidianana eo,

Card image cap