airtel

Politique

12-mars-2021

Politique

Fanirisoa Ernaivo sy ny ADM Nangataka fanafoanana ny fifidianana Filoha 2018

Sample post image

Tonga tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC Ambohidahy omaly 11 martsa 2021

12-mars-2021

 

 ny solontenan’ny kandida ho filoham-pirenena ny taona 2018, laharana faha 24, Fanirisoa Ernaivo, sy ny filoha lefitry ny ADM na “Association pour le droit et developpement de Madagascar”, ny solontenan’ny tanora Tiako I Madagasikara, ny tanora RMDM, ary ny solontenan’ny filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara monina any ivelany na RMDM Diaspora. Napetrak’izy ireo teo anivon’ity rafi-pitsarana ity ny fangatahana fanafoanana ny fifidianana fiodinana voalohany tamin’iny 2018 iny. Betsaka ireo hosoka nitranga, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny ADM, Rodo Razafindrakoto. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo kaomisionin’ny antenimierandoholona izany. Betsaka no tsy nilamina. Nisy verin-droa na “doublon”. Mitady fitantanana mangarahara isika nefa fosika daholo no ao anatiny. Tsy maintsy mihetsika izahay fa tsy mety amin’ny Malagasy izany. Efa nametraka fitarainana izahay fa tsy nisy tohiny. Niampy ilay Covid 19 dia nijanona hatreo ny resaka. Tsy afa-nanao na inona na inona intsony. Izao mba milamina indray dia alefa indray ilay izy. Apetraka aloha ny fangatahana na dia hita ho tsy nandeha amin’ny laoniny aza ny nataon’ny HCC teo aloha. Asa raha ho olon-kendry ny vaovao hipetraka eo na hitovy amin’ilay teo aloha fa ho hita eo. Mitohy foana io fa tsy mijanona raha mitovy amin’ny teo aloha ihany ny manaraka. Ao anatin’ny lalana, na olona iray fotsiny aza no miala ao anatin’ny fifaninanana dia tsy mitombona ny fifidianana. Raha olona iray fotsiny no tsy tokony ho ao nefa ampidirina ao dia efa tsy mitombona ilay fifidianana. Tao anefa nisy 1.162.000 isa mahery kely tsy ara-dalana. Nilaza ny filoha lefitry ny CENI fa misy zavatra tsy mety ao. Nanao ny azy koa ny antenimieran-doholona dia nahita koa fa misy tsy mety ao. Hijanona fotsiny amin’izao ve izany isika nefa be dia be no tsy mety, hoy hatrany izy ireo ?

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap