manoloana izao savorovoro izao ankehitriny. "Aza omena tsiny ny olom-pehezinareo raha mandray andraikitra, raha toa ka feno fitavozavozana ianareo voatendrin'izao fanjakana izao hitazona ny Commandement ", hoy ny fiandohan’io, izay naneho fa tsy fanonganam-panjaka izany, fa fandraisana andraikitra haingana manoloana ny fahambangana araka ny lalàna sy ny tontolo eto, izay feno fisalasalana, ary mba ho famerenana ao anatin'ny lalàna ny Rafitra politika sy sivily izay natao hibaiko antsika. "Milomano ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny zavatra rehefa ataontsika, satria dia voamarina ilay fiteny hoe: "Toutes les decisions prises sont nulles et non avenues". Tena tsikombakomba na « complice » amin'ny tsy fanaran-dalàna raha tsy mandray fanampahan-kevitra hentitra sy haingana. Mifamahofao ny zava-misy ary mikorotana ny sain'ny vahoaka malagasy, fa indrindra ny an'ny miaramila manokana, manoloana ity resaka fananana Zòm-pirenena hafa ity. Ny miaramila tranainy sy ny am-perinasa, dia manana adidy ny hanazava ny sain'ny Mpiray Tanindrazana sy handray andraikitra haingana, indrindra amin'izao akatokin'ny fankalazana ny fety ny 26 jona, fetin'ny foloalindahy sy ny fankalazana ny niverenan'ny fahaleovantena izao", hoy hatrany io fanambarana io. Nomarihina, fa ny Filoham-pirenena lehibe faratampon'ny foloalindahy no sary voalohany no sady tandidona farany ny fiandrianam-pirenena sy ny " intégrité Nationale". Nampahatsiahivina ihany koa, fa voasoratra ao amin'ny "Décret portant organisation générale de la défense nationale" eto Madagasikara ireo rehetra voalaza ireo. "Noho izany, tsy tokony hikipy amin'izay mety ho tombotsoa manokana ianareo zandry eo amperin'asa, fa hibanjina ny foto-kevitra ijoroantsika, dia ny " Ho an'ny Tanindrazana", hoy ny antso tao anatin'ny fanambarana.
LOZA, FITSIKOLOVANA, LALANA HO AN'NY FAHAVALO,...
"Ny “charte de Nations Unies”, izay manaiky ity firenena ity ho hisy sy hahalehontena ka ny Filoha no maneho izany any ivelany. Amin'izao anefa, Ny Fiarovana ny Tanindrazana sy firenena aminy fomba moderina dia : tsy ady ifanandrinana mivantana eo aminy miaramila na mpifahavalo irery intsony, fa miseho amin'ny endriny maro,… Ny fanomezana zòm-pirenena hafa dia "moyen" fotsiny ihany, hamehezana sy hanirahana mpitsikilo na “espion”, mba hanao " infiltration", hakana fahefana sy ny tsiambaratelom-piarovana, fa ny tena tanjona dia ny fametrahana maharitra ny fiankinan-doha any ivelany ny firenena sy ho fanariana eo aminy taranaka ny maha malagasy azy (Néo colonialisme)", hoy ny fanazavana. Eto dia ny Filohan’ny Repoblika mihintsy no manana zòm-pirenena hafa, ary ny tena loza dia raha voamarin'ny lalàna fa niala taminy ny zò maha malagasy azy dia Voatafika sy resy izany isika, izay Loza noho ny mercenaires, toa an’i Bob Denard tao amin'ny Nosy Comores izao mahazo antsika izao. Soa ihany anefa fa niseho sy tratra izao tranga izao, noho izany, dia fotoana izao hanalana ireo manana zòm-pirenena hafa eo anivon'ny Foloalindahy, araka ny voalazany " Code de la Nationalité ", fa izany Indrindra no tena atao hoe "Moralité" tokony hananantsika. Mila mazava izao resaka izao, mialoha ny 26 jona, mba hanavotana ny sainam-pirenena sy ny Foloalindahy. Mitandrema ianao eo amin'ny commandement (Tafika sy zandarimaria), fa sao lasa “complice”, fa haintsika tsara fa sazy farantampony no miandry amin'ny famadiana ny firenena”, hoy ny ampahany tamin’io hafatra sy fanambarana io. Asa hanao ahoana ny handraisan’ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny tafika azy fa midika zavatra goavana ary tsy tongatonga ho azy io?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo