airtel

Politique

26-juil-2022

Politique

Fanjakana jadona, ny vahoaka sahirana,… Hiroso amin’ny lalina kokoa ny “Gasy Leo”

Sample post image

“Eo anatrehan’ny zava-niseho tamin’ny sabotsy lasa teo, dia niarahantsika nahita, fa ataon’ny Fanjakana fitaovam-pamoretana ny mpitandro filaminana na dia eo aza ny fitoviana amin’ny krizy sy ny zava-misy.

26-juil-2022

Fantatsika tsara fa na ny zandary na ny polisy tsy manana toerana fivarotana sakafo manokana na solika manokana fa mitovy daholo. Baiko no mahatonga an’ilay izy”, hoy ny Vovonana Gasy Leo tarihin-dRazafimamy Christian na Rahckiky omaly. Ity farany izay efa naneho ampahibemaso fa tokony hiala ny Filoha sy ny Praiminisitra satria tsy mahay mitantana, ary vonona ny tenany hitarika ny vahoaka. Omaly no tokony hanatitra ny fitoriana mitaky ny fialan’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izy ireo, saingy naneho fa somary nanova paikady satria zavatra ngezabe no atao. “Manoloana an’ireny, nisy ny fiovana paikady, saingy amin’ity herinandro ity no manomana ny tohiny, tsy dia ho lava loatra satria amin’izao zava-misy eto Madagasikara izao, efa manomboka betsaka ny vahoaka noana, mivesatra ny olana mianjady noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, ka tsy ho ela loatra ilay zavatra ho atao”, hoy hatrany i Rahckiky. Misy, hoy izy, ny paikady izay tsy hotenenina, ary efa misy ny taratasy izay homanina, izay andalam-pametrahana azy, araka ny efa notenenina. Andrim-panjakana 3 na mety ho 4 eo no hametrahana izany taratasy izany. Naneho kosa ny Filohan’ny “Union de base pour la Révolution de Madagascar» Atoa Nambinina Raherimampianina, fa manjaka tanteraka ny jadona eto amin’ny firenena, mety hisy ny fiovan’ny paikady amin’ny hetsika hatao, fa ny fametrahana taratasy dia efa eo an-dalana ny fanaterana ny andrim-panjakana tandrify rehetra”. Ny pitsopitsony, ny zavatra rehetra mampitaraina ny vahoaka Malagasy no ao anatin’ny fitoriana, indrindra ny resaka fandikandalàna sy fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, tsy fahaizana mifehy ny toekarena, ny pitsopitsony maro toy ny zavatra marary ny vahoaka, ny volamena very,… Manoloana ny hoe: tsy taitra amin’ny fanairana ara-taratasy ny Fanjakana, dia nahitsy i Rahckiky nilaza fa miankina aminy raha tsy ho taitra fa efa izao ny mahazo ny vahoaka, tsy misy zavatra azo hafenina intsony, fa raha ohatra izy tsy ho taitra dia miankina aminy izany, fa raha taitra izy dia ho voajery ny vahoaka. Tokony mba efa ho taitra izy, fa tsy ho variana fotsiny hoe: misy ozinina fanamboarana siramamy atsangana any an-toeran-kafa kanefa ny vola hividianana ilay siramamy aza tsy misy. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap