nangatahina ny fanampian’ny governemanta Emirati amin’ny alalan’ny fisitrahana ny « Fonds souverain des Emirats Arabes Unis et ses retombées » hamatsy vola tetikasa maro toa ny fampiroboroboana marolafy ny toekarena, nyfanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana, ny fanavaozana ny rafitry ny fanabeazana. Fa eo ihany koa ny resaka fambolena sy fiompiana amin’ny alalan’ny fananganana fari-piadidiana ara-toerena manokana manokana (ZES) . Manampy ireo ny fanamboaran-dalana 10 000 km ao anatin’ny 5 taona, fanorenana ny toho-drano mpamokatra herinaratra ao Sahofika hanana tanjaka 192 MW mety hitarina 300 MW. Mazava ihany koa izany ny resaka eto fa nitavandra famatsiam-bola tany amin’ny Arabo no tena anton-dia tany Dubai, satria tsy misy ny vola hanatanterahana ireo velirano sy fampanantenana asa goavana nambaboana ny fon’ny mpifidy nanomboka ny taona 2018. Sombitsombona famatsiam-bola no azo avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho tsy fahavitana manaja ireo fepetra napetraky ny tandrefana anisan’izany ny fanajana ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana ary ny ady amin’ny kolikoly. Ny mahagaga kely ihany koa dia efa ny 13 aogositra 2021 no nivoaka ny lalàna laharana 2021-024 mahakasika ny « Fonds Souverain » natsangan’ny fanjakana Malagasy. Efa voatendry ny volana aogositra 2022 ny filan-kevim-pitantanana, voafidy ny volana mey 2023 ny fiohan’ny filan-kevim-pitantanana ;raha ny voasoratra ao amin’ity lalàna nananganana ny FSM ity dia ampiasaina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana laharampahamehana ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana izy io. Aty amin’ny volana febroary 2024 dia io fa mipoitra indray hoe mangataka ny fanampian’ny governemanta Emirati amin’ny alalan’ny fisitrahana ny « Fonds souverain » any amin-dry zareo. Fa angaha tsy afaka manao izany ny Fonds souverain eto Madagasikara, no mitavandra vola any amin’ny Arabo ? Ohatrinona marina ny vola voaangona ao amin’ny « Fonds Souverain » an’i Malagasy sa tsy misy , sa nisy fa nanjavona ?
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny