raha ny fanehoan-kevitry ny Ambasadaoron’I Sénégal teo aloha Atoa Paraina Auguste tamin’ny fahitalavitra iray ny faran’ny herinandro teo. Fanendrena izay hameno ireo Masoivoho any amin’ireo firenena tokony hanaovana izany no nambara tamin’ny fanendrena ny Minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla, saingy na ny fanoloana ny tenany amin’ny ambasadaorontsika tany amin’ny UNESCO aza tsy vita. 5 volana aty aoriana, tsy nisy na iray aza voatendry ankoatra ny Kaonsily Jeneraly ao La Réunion, izay tsy fantatra na efa tena nandray ny toerany na tsia? Mangataka “agrément” dia ela, ka asa na efa tafapetraka I Tinoka Roberto na tsia? Hoy io Ambasadaoro teo aloha. Misy rahateo ny fankatoavana, ka raha manana dosie maloto, dia tsy raisin’ireo firenena vahiny, raha ny fanazavany. Tany amin’ny desambra 2022 tamin’ny andron’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina anefa no nanaovana serasera fa hafainganina ny fanendrena ireo masoivoho, ary nisy antontan-taratasy 303 mihitsy no voaray, saingy asa na namonosana mofogasy fotsiny na natao aiza? Frantsa, Maurice, Chine, ary Bruxelles no hany ananatsika ambasadaoro hatramin’izao. Betsaka anefa ny manam-pahaizana eto, saingy betsaka no mety ho sakana, ka anisany ny resa-bola. Tsy hahavita hanendry masoivoho vaovao intsony noho izany ny Fanjakana Rajoelina. Nanaraka ny dian’ny Fanjakana Rajaonarimampianina izay tsy nahatendry afatsy 5 monja tao anatin’ny 5 taona, kanefa betsaka ireo firenena stratejika tokony hananantsika ambasadaoro. Anisan’ireny i Japon, Allemagne, Etazonia, Vondrona Eoropeanina,... Tsy ataony laharam-pahamehana loatra ny diplaomasia, ka mieritreritra angamba ity fitondrana ity fa izy irery ihany dia mahavita azy, hoy I Paraina Auguste, izay naneho fa manana olana ara-bola matoa tsy afaka manendry masoivoho. Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany, hoy izy, no afaka nametraka sy nameno ireo masoivoho tao anatin’ny 3 volana monja nitondrany ny firenena. Ny eto mangoron’entana raha raisina amin’io ataon’ny Norvezianina io, kanefa ny fanendrena dimy taona tsy mandeha. Manjoretra sy marefo hatrany ny diplaomasia Malagasy, izay isan’ny taratry ny faharefoan’ny fitantanana sy ny Fanjakana!
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby