airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Fanjakana Rajoelina Manamafy ny politikam-pamoretana

Sample post image

Endriky ny fahalemen’ny Fitondram-panjakana ny fanenjehana sy filàna kisa. Mila mandinin-tena ihany ny Filoha, izay voalaza fa voatsiratsira, na mety marina sy mitombina,

01-févr-2022

 ary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina tokoa aza ny zavatra niseho. Faran-tampony, ary andrim-panjakana izany Filoham-pirenena izany. Na izany aza, efa tena manahirana raha ny olona nanohana sy nanao izay nampandany azy no miditra an-tsehatra amin’ny tsikera mivaivay, ary nahavoaka vava mihitsy fa nanao izay faraheriny nampandaniana azy, ary hanao izay faraheriny hamotehana azy indray. Azo handrefesana ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana ny didim-pitsarana nivoaka omaly, izay tsy nisy fanagadrana mivantana. Raha marin-toerana sy mahatsapa fa tena manana ny heriny ny Fitondran’ny Filoha Rajoelina tsy nikoso-maso na kely monja aza tsy nisalasala nandefa an’i Mahery Lanto tany Antanimora, toa ny natao an-dry Berija Ravelomanantsoa sy ry Harry Laurent Rahajason minisitra teo aloha. Toa fampitahorana sy fandrahonana ary fandemen-tsaina ny hafa mpanakiana mivaivay ny fitondram-panjakana no tanjona. Toa miroso kokoa any amin’ny fangejana sy fampihorohoroana mivantana na an-kolaka ny Fanjakana. Ny fidirana amin’izay endrika fitantanana antsoina ihany koa hoe Etat Policier no hita taratra ankehitriny. Tena tsy mitovy amin’ny hoe fampanjakana ny tany tan-dalàna io, azo atao tsara ny mamerin-doha izay manao ny tsy mety, azo atao tsara ny mampianatra sy mampahatsiahy ny lalàna, zava-dehibe ny fanenjehana ireo mandika lalàna sy manohitohina ny andrim-panjakana,… Tsy izay no miseho eto, fa fitsiponana sy fandemena ireo heverina fa manana fahasahiana mamosaka sy mamaky bantsikana ny tsy mety. Mampanahy hatrany ny mety ho fisiana ny finiavana hanao fitaovana hatrany ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ao anatin’izany. Raha resaka tany tan-dalàna tokoa mantsy no làlan-tsaina hitondrana itony endrika fanenjehana miteraka resabe, dia betsaka ny mamoa-doza noho ireny no niniana nikipiana teto. Tokony hipetraka ho fitaratra foana ny mpitondra. Raha manao ny tsara sy ny mety ary ny marina ireo mipetraka ho azy ny haja maha Raimandreny, fa rehefa tsy izay dia mila mandinin-tena.
Toky R 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap