airtel

Politique

29-juin-2023

Politique

Fanjakana Rajoelina Niainga tamin’ny herisetra, hiafara amin’ny savorovoro…

Sample post image

Mikorontana tanteraka ny firenena ary mihamafy ny krizy miseho amin’ny endriny maro. Tsy misy zavatra tena mandeha amin’izay laoniny intsony,

29-juin-2023

fa tena feno loharanona krizy sy olana na “foyer de tension” ny sehatra maro. Endrika maneho fa tsy voafehy intsony ny fitantanana ny firenena, eny fa na fampiodinan-draharaha aza efa manahirana tanteraka. Ny andrim-panjakana mikorontana sy mifanongana mivantana na ankolaka raha ny sary niseho sy miseho eo amin’ny governemanta sy ny antenimierampirenena izay efa endrika krizin’andrim-panjakana. Ny niara-dia tao anaty fitondrana tany am-piandohana efa mifanongana ao Tsimbazaza, ary misy ny efa lasa nanangana tarika mpanohitra ivelan’ireo mpanohitra hatrizay. Handalo fifidianana isika, saingy mbola tsy mipetraka ny fitokisan’ny rehetra ny rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana, ary ny governemanta aza toa tsy rototra amin’ny famoahana ny tetiandro mazava. Ny ao anatiny efa nisy nivadika noho ny fahasosorana kanefa mbola manam-potoana ilàna kisa sy hihetraketrahana amin’ny mpanohitra. Mihasarotra ny toeran’i Andry Rajoelina, ary mety ho tahaka ny nidirany teo no ivoahany raha minia mbola hanangam-bovona ao anatin’izao. Niainga tamin’ny herisetra sy ra mandriaka dia ho tahaka izany ihany koa ny tiana hivoahana ny fitondrana ? Ny diplaomasia tsy mandeha amin’izay laoniny, tetezina izao vazan-tany rehetra izao fa tsy hita izay tena vokatra. Ny firenen-kafa mahazo amina miliara dolara, raha tsy hilaza fotsiny an’ilay dia tany Paris ny 21-22 nisian’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba famatsiam-bola, nahazoan’i Sénégal 2,5 miliara dolara, fa ny antsika serasera no betsaka. Ny Filoham-pirenena malaza ratsy noho ny zom-pirenena vahiny, lasa niteraka fanasokajiana ho mpamadika tanindrazana. Ny olana ato anatiny mitombo ihany. Nirefotra indray ny raharaha QMM any Taolagnaro, izay olana goavana raha sanatria ho tonga amin’ny fanakatonana tanteraka satria isan’ny mitazona ny fahamarinan-toeran’ny vola Malagasy sy ny toekarena izay efa tena mitotongana ambony ambany ny vola vahiny ampidiriny. Ny tontolon’ny fampianarana olana mandavan-taona ka asa izay fanapahan-kevitry ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka taorian’ny fe-potoana nomeny hatramin’ny 26 jona teo. Ny orinasam-panjakana feno krizy ! Ny Jirama moa olana mandavan-taona tsy mety mivaha, ny Air Madagascar maty tanteraka, dia io fa mangotraka ihany koa ny toe-draharaha ao amin’ny CNaPS taorian’ny nanagadrana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana. Manomboka miakatra ny fahasosorana eo anatrehan’ny voalaza fa fanjakazakana sy endrika fanaovana tantely afa-drakotra. Voatonontonona hatramin’ny vadina minisitra iray eo anivon’ny governemanta. Mihamaro ny fahasosorana saingy vao mainka mandrehitra afo ny Fitondrana ka asa izay hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap