airtel

Politique

25-mars-2021

Politique

Fanjakana Rajoelina Tena hanjakan’ny kiantranoantrano

Sample post image

“Tamin'izao fitondrana izao no tena hita mibaribary ny fanomezana tombontsoa manokana ny mpihavana akaiky na ny "népotisme",

25-mars-2021

 

 

izay mbola voasokajy ho tafiditra anaty kolikoly. Raha tsy hiteny afa-tsy ny mpikambana anaty goverrnemanta ramatoa ary ny vady andefimandriny dia voatendry ho mpiasam-panjakana ambony. Nanaitra ny sain'ny maro koa ny nahalanian'ny mpikambana iray vaovao anaty ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay tsy iza fa vadin'ny mpiara-miasa akaikin'ny filoha. Ekena fa mety manana fahaizana manokana momba izany izy ireny fa raha mijery ny famaritana ny atao hoe : "népotisme" anaty rakibolana aloha dia mazava ny teny ao, "kiantranoantrano". Iray trano, iray lovia... », hoy ny fanehoan-kevitra nataon’Atoa Livasoa Razafindrasolo olom-pirenena mpanaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena. Lasa raharaham-pianankaviana sy hanjakan’ny kinamanamana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tena maro ny endrika isehoan’io. Misy minisitera eto, olona mpivady no samy notendrena ho Tale ao anatina minisitera iray. Nisy minisitra aza tany amin’ny taona 2019, dia efa naneho fa hiady ho an’ny antokony sy hiady ho an’ny olon’ny antokony no antom-pisiany voalohany ao anaty governemanta,... Mazava fa lasa misy tombotsoa mifampiankina, izay misy fiantraikany lehibe sy mety ho sakana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap