airtel

Politique

18-avril-2024

Fanjakana Rajoelina

Tena manara-penitra ny tsy fahaiza-mitantana !

Sample post image

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

18-avril-2024

manana robinet fa tsy misy rano,…” io no fehezanteny nentin’ny olom-pirenena namintina ny zava-misy eto amin’ny Firenena. Mbola azo hitarina amin’ny zavatra hafa io, fa mahafintina ny tsy fahombiazam-pitantanana. Inona tokoa moa ny sehatra tsy mampikaikaika ny rehetra eto? Haingo ambony tsikoko no betsaka, ka takotakonana sy sarontsaronana amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra ny tsy fahombiazana. Io resabe io ny resaka kianja izay nodradradraina hatramin’izay fa manara-penitra saingy tsipahin’ny CAF ny Kianja Barea nandaniana 77 tapitrisa dolara. Natao velirano sy nihazakazahana ny nanamboatra kianja nolazaina fa manara-penitra manerana ny Nosy raha tsy hilaza afatsy ny any Toamasina, Ambatondrazaka, Fianarantsoa,… nandaniana vola tsy toko tsy forohana fa mby aiza sy nitondra inona izy ankehitriny? Ny Barea nidina ny lentany rehefa nojapiana tamin’ny politika, ka mbola sary indray mipika hatreto ny fandraisana anjara tamin’ny CAN 2019 tany Egypte. Dia mbola endrika isehoan’ny tsy fahaiza-mitantana ihany koa ny fahapotehana sy faharavan’ny orinasam-panjakana. Nalevina tanteraka tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina ny Air Madagascar rehefa potika niainga tany amin’ny Fanjakana tetezamita tamin’ny alalan’ny fividianana fiaramanidina “brokantera” izay niantombohan’ny trosa nisavovona. Nofoanana tanteraka novaina ho Madagascar Airlines avy eo, saingy kaompania anarany fotsiny, tsy manana afatsy fiaramanidina roa hofaina manao ny sidina anatiny sisa. Ara-toekarena anefa, dia sokajiana ho “régulateur de prix” io, ka miankina amin’ny sarany ataony no arahin’ny hafa, saingy tsy izay intsony no miseho ankehitriny. Lasa ny fifampiresahana amin’ny Emirates hisian’ny sidina Dubai-Madagascar no ireharehana,… Mbola endrik’izany ihany koa io orinasa Jirama io. Eo amin’ny rano, efa mandavan-taona ny fahatapahana, saingy tsy voavaha. Fokontany iray ao anatin’ny Borborintany faha-5 izao no re fa hanao hetsika goavana anio. Nanana ambim-bava manodidina ny 70 miliara ariary ny Jirama talohan’ny fanonganam-panjakana 2009, saingy io iaraha-mahita io fa bokan-trosa hatrany amin’ny 2000 miliara Ar. Rehefa avy nopotehina dia lalaovina ny fon’ny Malagasy, ampanantenaina poakaty tahaka ny nilazana fa hanao 400MW ao anatin’ny 5 taona fa mby aiza izany izao. Ny nitantanana araka ny tokony ho izy ny efa nisy aza izao no iafarany? Hireharehana atsy ho atsy ny fahavitan’ny teleferika izay nitrosana volabe hatrany amin’ny 153 tapitrisa euros fa hanao ahoana ny herinaratra azy? Tena natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka ve ny 4000Ar isaky ny mitaingina? Tena hahafoana sy vahaolan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tokoa ve? Ampahany amin’ny endrika tsy fahombiazam-pitantanana ireny rehetra, fa ny zava-misy ankehitriny dia mampiharihary fa miha milentika ny Firenena, miha sahirana sy fadiranovana ny Malagasy, kofona ny seha-pihariana maro,… Tena manara-penitra ny tsy fahaiza-mitantana! Dia mbola hanantena ve isika fa hisy ny fahagagana hoentin’izao fitondrana izao raha tarafina amin’izay efa hita sy niainana hatrizay izay?
Toky R
Légende: 80,7% ny tahan’ny fahantrana, ary mahatratra 2 tapitrisa ny Malagasy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap