airtel

Politique

04-nov-2021

Politique

Fanjakana tao anatin’ny 60 taona Ity no feno tontakely sy be kolikoly indrindra ?

Sample post image

Tsy finiavana hitsikera na sanatria fankahalana be fahatany, fa ankoatra ny tamin’ny tetezamita, dia tamin’ity Fanjakana faharoa entin-dRajoelina ity no be indrindra ny raharaha kolikoly sy afera maloto anaty Fanjakana.

04-nov-2021

Iniana hikipiana ny ankamaroany, ary matetika valin-teny boribory no azo, dia ny hoe: efa “mandeha ny fanadihadiana”. Maro ireo olona ambony voasaringotra na voatonona amina afera goavana, ekena fa mbola tsy misy didy manameloka azy ireny, saingy na mitombina na tsia dia rava maina eny. Efa nisy teto izany raharaha “bonbons sucettes” mitentina 8 miliara Ar izany fa adino, efa vaky am-batolampy ny ahiahina kiantranoantrano tamin’ny tsenambaro-panjakana mikasika “écrans Plats” maherin’ny 200 tapitrisa Ar, nolazaina fa efa vita ny fanadihadian’ny Bianco fa dia nipirina ny dosie, efa nisy ny ampamoaka amina miliara nataona mpanara-maso ny tsenam-panjakana teo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana fa ilay namoaka ny hitany fa tsy rariny indray no notorian’ny mpitondra. Voalaza tamin’izany fa 730 tapitrisa no lany nandokoana hopitaly manarapenitra miisa 7; vola 980 tapitrisa Ar no nanaganana "centre de transplantation rénale" ao amin'ny CHU Andohatapenaka ka dosie piraty no nampiasana; volan'ny ministeran'ny fahasalamana mitetina 44 miliara Ariary no nalaina ary tsy naverina manontolo ny taona 2020,… Nisy fitoriana teny amin’ny Bianco fa moa misy tohiny? Raharaha hafa ny kolikoly nalaza tany amin’ny seranantsambon’i Toamasina, ny raharahan’ny ladoany,… Tsy azo antoka ny fitantanana ny Jirama na nandiso ny ampamoka amina miliara aza ny mpitantana omaly. Ampahany vitsy ireo, fa betsaka ny afera maizina. Ny mpitondra ambony toy ny minisitra sasany mihazakazaka ny fitomboan’ny harena, ary misy ny tena tsy mampino. Mba mety nanao ny tsy nety ny fitondrana sasany teo aloha, fa toa mbola tsy tena nahenoana kolikoly goavana sy faobe toy ny ankehitriny. Moa mba nahenoana toy izao ve tamin’ny Fanjakana Ravalomanana ? Ekena fa nisy afera maro tamin’ny Fitondrana Rajaonarimampianina fa voasongon’ity lavitra be. Tamin’izany nilanjana vatam-paty hoe: “Miala Rajao”. Nangina ve ny MAPAR sy IRD raha teo amin’ny fanoherana? Ankehitriny, ny mpaneho hevitra amin’ny Facebook migadra 44 volana any Antanimora, fa ny heverina ho nangalatra amina miliara milamina tsara. Mpanenjika tozoro afara hatrany ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap